Mihaona amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Novambra 2026
Sal.96,7-10 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 81:1.4
Amosa 4,12 - 13
12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô. 13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.Mihaona amin’ny Tompo
Mampiomana ny Isiraely hifanatri-tava amin’Andriamanitra i Amosa mpaminany. Mihaona amin’ny Tompo mba:
1- Hibebaka Aminy
Andriamanitra no miteny eto hoe: « miomana hihaona amin Andriamanitrao ». Ity fihaonana ity dia fiala-nenina ataon’ny Tompo noho ny hamafin’ny fon’ny Isiraely. Efa maro ireo famaizana nataon’ny Tompo mba hiverenany Aminy: tao ny mosary, ny fiaton’ny orana, ny valala, ny aretina, ny fandravana. Voalaza anefa fa tsy niverina tamin’Andriamanitra ny vahoaka. Izao dingana ataon’ny Tompo izao dia endriky ny famindrampony mba hibebahan’ny olony ka hialany amin’ny ratsy fanaony mba tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra. Tena miala nenina amin’ny olona Andriamanitra Ray tamin’ny nanomezana an’i Jesoa Kristy Zanany lahitokana mba hamonjy ny olona rehetra ao amin’ny fahotana sy anatin’ ny faharatsiana.
2. Hanome voninahitra Azy
Miantefa manokana amin’ny Isiraely izao antso izao amin’ny filazana hoe « Andriamanitrao ». Vahoaka izay efa mahalala tsara an’Andriamanitra. Mbola averina eto indray anefa ireo mamaritra sy mandrafitra ny maha Andriamanitra mahery sady lehibe Azy. Izy no Andriamanitra Mpahary, mahafantatra sy mifehy ary tena manana fahefana amin’izao rehetra izao. Izay andrasana amin’ireto vahoaka ireto dia ny fanajana sy ny fankatovana ka hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ity fihaonana indray maka ity. Ny fanompoam-pivavahana dia endrika iray hihaonana amin’ny Tompo. Noho izany dia tokony hanetry tena hatrany, hiaiky ny fahotana, hibebaka ary hikatsaka ny voninahitr’ Andriamanitra mandrakariva.
Fanontaniana:
Inona no mahamaika anao rehefa hihaona amin’ny Tompo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady