Jesoa no fiainana
Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Septambra 2026
Sal 72.18-19 / HF 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 444.4
Jaona 6,28 - 40
28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra? 29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny. 30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao? 31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24). 32 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. 33 Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao. 34 Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. 35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. 36 Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. 37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. 38 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. 39 Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy. 40 Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.Jesoa no fiainana (and.35)
1- Izay manatona Azy tsy mba ho noana…(and.35)
Rehefa nihaona tamin’i Jesoa ireo vahoaka izay nitady Azy dia nampianariny mba hikatsaka zavatra sarobidy sy maharitra kokoa, fa tsy ho variana amin’ny fankafizana sakafo, ka hoy Izy: « Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’olona anareo » (and.27). Tian’i Jesoa ny hahatakaran’ny olona fa Izy no ilay tena mofo manome fiainana, araka izay nambarany hoe: « Izaho no mofon’aina; izay manātona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony ». Ny fanekeny ho hanolotra ny ainy sy ny nandatsahany ny rany teo amin’ny hazofijaliana no làlana tokana hahazoan’ny olona ny tena fiainana, dia ny fiainana mandrakizay. Ny fepetra hahazoana izany fiainana izany dia ny fanatonana Azy, na ny finoana Azy.
2- Izay manatona Azy tsy mba ho laviny mihitsy (and.37b)
Tsy sitrapon’Andriamanitra ny hisian’ny mpino na dia iray aza ho tafasaraka Aminy; tsy sitrapony koa ny hahavery ny olona na iza na iza. Ny sitrapony dia ny hananan’ny olona rehetra fiainana mandrakizay. Ny hanatanteraka izany no nanirahana an’i Jesoa Kristy tety an-tany. Manome toky i Jesoa fa izay rehetra manatona Azy dia tsy mba horoahiny any ivelany (DIEM), na iza na iza. Ny zavatra andrasana amintsika manoloana izany dia ny fibanjinana Azy. Mitaky fankatoavana an’i Jesoa Kristy sy ny Teniny izany, mba hahatonga ny fontsika hiasan’ny Fanahy Masina ka hahaizantsika manome voninahitra Azy amin’ny androm-piainantsika ety an-tany, sy hananganany antsika koa amin’ny andro farany.
Fanontaniana:
Sakafo mahavelona ny Tenin’Andriamanitra. Ekenao ve izany? Hazavao ny hevitrao.
Foibe Sampana Sekoly Alahady