Fintina famaranana 50T FJKM sy 200T LMS.

 

KIANJABEN’IMAHAMASINA

ALAHADY 21 OKTOBRA 2018

Nizotra soa aman-tsara sady mendrika ny voninahitr’Andriamanitra ny Fotoam-pivavahana famaranana ny jobily roa sosona, teny amin’ny kianjaben’Imahamasina ny Alahady, 21 oktobra  2018 teo. Feno hipoka ny toerana rehetra toy ny gradin, ny kianja, ny tribune roa, hatramin’ny toerana azo hipetrahana rehetra. Hita teny avokoa ny solontena samihafa   avy amin’ny Synodamparitany rehetra hatramin’ireo vahiny avy any ivelany aza. Ny tomponandraikitra  teto amin’ny firenena dia nahitana delegasiona mafonja. Ireo Fiangonana rahavavy eo anivon’ny FFKM tsy latsa-danja noho izany. Nanakoako ny hiran’ireo Antoko mpihira marobe nanao hira nitambarana. Faly ny vahoaka Kristiana FJKM rehetra, na ny tonga na ny tsy tonga teny fa nanaraka tamin’ny onjam-peo. Misy ny hafatra nentin’ny Filohan’ny FJKM miisa dimy tao anatin’ny toriteny:

1-Ny teny fikasana: TANO IO,

2- Ny Fanahy Masina: ITOKIO,

3 – Ny modely tsara: MBA IRIO,

4 – Izay tena inoanao: SAFIDIO,

5 – Ho avy ny andro iray KA TADIDIO.

Nitarika ny fotoana: Atoa RAKOTONIRINA Charles, Mpitandrina. Nitoriteny: Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina Filoha FJKM.

Nisy ihany koa ny Asa fampaherezana notarihan’ny Birao Foibe FJKM Fifohazana: ny Filohany RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpitandrina, ny Tonia ROBSON RADO lalaina Johary, Mpitandrina, ny Filoha mpanampy ANDRIANANTENAINA LAZANDRAINY Martin, ary ny Mpitandrina RABEHATONINA James.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV