FIFA / Fampirantiana 2018.


FANASANA 

Ny Komity sy ny Tale ary ny Mpiara-miasa ato amin’ny Fitantanana Fananana na FIFA, Foibe FJKM,dia faly manasa antsika vahoaka Kristiana rehetra tsy ankanavaka ho tonga hijery ny fampirantina mahakasika ny asan’ny FIFA sy ny fananan’ireo Fiangonana sasany ,izay hanomboka ny Alakamisy 08 Novambra 2018 ,amin’ny 10 ora maraina ary hifarana ny zoma 09 Novambra 2018 amin’ny 2 ora tolakandro.Izany dia ho tanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny Foibe FJKM, varavarana 201.

Asaina ihany koa isika, indrindra ny Mpitandrina sy ireo mpiandraikitry ny Fananana isam-pitandremana ho tonga ao amin’ny FJKM Ambatonakanga, hankalaza sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny Alahadin’ny FIFA, 11 Novambra 2018 fa ao anatin’izany dia hisy fampiofanana mahakasika ny fikarakarana ny fananantsika Fiangonana. Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Manantena ny fahatongavantsika maro.

Ho an’Andriamanitra Irery ihany ny Voninahitra.

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV