Alahadin’ny FIFA 2018.

Fandaharana iombonana 
Alahady 11 Novambra  2018

Lohahevitra : “Mivonona hihaona amin’ny Tompo”

  • Fiarahabana Apostolika
  • Fiderana : Salamo : 122 : 1- 4
  • Hira FF : 11
  • Vavaka
  • Sitrapon’Andriamanitra : Amosa 4: 9-12

“Sambatra ny mahitsy làlana … “Sal 3 : 1-2

– Hira : 334 : 1

– Vavaka Fifonana

– Hira 403

  • Teny famelankeloka : Isaia 1 : 18-19

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony ” Sal 119:1-2.

Hira : 545

  • Fanekempinoana laharana faha.2
  • Raharaham-piangonana + Famakiana Hafatry ny FIFA
  • Fanatitra : Antokom-pihirana na Sampana na Hira 432 – 430
  • Fanolorana ny rakitra – Hira : 275.1
  • Tenin’Andriamanitra : Hira :772 : 1

– Vavaka

– 5mn ny Sekoly Alahady : Mat 3.1-12

– Hira : 205 : 1

– Vakiteny : Mal 2 : 17 – 3 : 1-4 Mat 3 :1-12 I Jao 2 : 24-29

  • Hira : 426. 1-2
  • Toriteny
  • Vavaka fangatahana + Rainay izay any an-danitra …..
  • Asa Vavolombelona (raha misy)
  • Famaranana : Hira FF : 33.1-2

– Tsodrano : Fil 4.6-7

– Hira FF : 33.3

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina .AMEN

……………………………………………………………………………………………………………………………

TORITENY

Alahady  11 Novambra  2018

Mal 2.17-3.1-4

“Mivonona hihaona amin’ny Tompo”.

FAMPIDIRANA

Ny ankamaroan’ny olona rehefa resahana ny hoe mbola hampamoahana ny olona amin’izay rehetra zavatra nataony, na tsara na ratsy, dia mandray izany teny izany ho toy ny vazivazy, na zavatra azo ialana sy hihodirana ihany izany. Raha ny Soratra Masina izay eto ambany masontsika kosa anefa no jerena dia manao antsika hoe :

Mivonona hihaona amin’ny Tompo mandrakariva”.

1-Satria tsy maintsy ho avy izany (Mal 1 :and 1 b)

“Indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”

Ny Tompo mihitsy no milaza ny ho fihaviany eto, satria nihevi-tena ny olona tamin’izany, fa “Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’i Jehovah, ka ankasitrahany hoe : Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana?” (Mal 2:17) , ka manamafy Izy fa tsy misy ho afaka amin’ny fitsarany ny olona eto ambonin’ny tany, ka na dia tsy hita eo no ho eo tokoa aza ny valin’ny ratsy natao, dia tsy maintsy handray ny valin’asany ny olona rehetra na ratsy na tsara izany.Hitantsika rahateo izany ao amin’ny Mat 3:7 b “Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro anareo handositra ny fahatezerana ho avy?”. Ho avy Kristy, hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy misy fizahan-tavan’olona ao aminy, koa mivonona hihaona amin’Andriamanitrao.

Ry Havana, misy ireo mangalatra rakitra na ny fananan’ny Fiangonana hafa, dia sahy milaza mihitsy fa tsy mampaninona akory ny mangalatra izany, fa toa tsy mibedy akory Andriamanitra! Fa mbola hihaona aminy ianao na ho ela na ho haingana.Fa mila miomana ihany koa isika amin’ny fihaonana amin’ny Tompo :

2- Mba hampifaly ny Ray (Mal 1 :and 4 a)

“Dia ho mamin’i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema”.

Rehefa miomana tsara kosa isika hihaona amin’ny Tompontsika, sy manatanteraka ny fanatitra araka ny sitrapony, dia tsy tahotra sy alahelo indray izany fihaonana izany, fa manjary miteraka fifaliana amin’Andriamanitra, ary tsy ho Azy ihany, fa ho antsika olombelona, mpanolotra ihany koa.Manamafy izany rahateo ny III Jao 4 : « Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha amin’ny fifaliana ny zanako ». Manjary fifaliana lehibe ny fihaonantsika amin’i Kristy, tsy ny eto an-tany ihany fa hatrany an-danitra rehefa tsara fiomanana isika.

Ry Havana, rehefa feno fiomanana hihaona amin’izany Tompontsika izany isika, dia manjary tsy andry indray , mba rahoviana anie aho no hahatratra ny fitsaharana mandrakizay e?.

FAMARANANA

Koa andeha àry isika hiomana mandrakariva hihaona amin’ny Tompontsika, koa na maraina na atoandro na alina no fihaviany, dia ho vonona isika ka handray ilay tena tsara manao hoe :”Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny Tomponao”.(Mat 25.21)

RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja, Mpitandrina.

Tale Fitantanana ny Fananana, Foibe FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV