Hafatry ny Filoha / Okt 2018.
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
Ka ianao izay manan-jo,
Tena afaka mifidy,
Mandehana ianao mifidy,
Fa i Madagasikara
No zara tany anjarantsika,
Tena tendrin’ny Mpahary,
Tsy kisendrasendra akory.
Rah’tena tia ny Tompo ianao,
Tiavo i Madagasikara.
Aza alaim-panahy mihitsy
Hihalangalana fa hoe
Tsy mahalala politika.
Olom-pirenena ianao,
Sy vahoakan’Andriamanitra,
Mandehana, mifidiana!
Mandehana ka fidio
Ny olona izay fantatrao
Fa mivavaka tokoa,
D’izay tsy adalam-pahefana
Handeha hiankohoka amin-tsampy
Hangatahan-tsodrano
Hahitany fitahiana.
Mandehana ka fidio
Ny olona izay fantatrao
Fa hitondra fahazavana
Ho an’i Madagasikara,
Ka tsy hanembana ny dia
Amin’ny vinantsika hoe:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
IRAKO Andriamahazosoa AMMI
Mpitandrina , Filohan’ny FJKM.