Tatitra/ Fihaonamben’ny Zanaky ny Mpitandrina FJKM 2018 .

 

Sambany izao teo amin’ny tantaran’ny FJKM.

Ity taona 2018 ity no voalohany nanaovana ny fihaonamben’ny Zanaky ny Mpitandrina FJKM ka tao Antsahamanitra no nanatanterahana izany ny 26-28 Septambra 2018 teo. Fampianarana 7 samihafa no natolotra ireo zanaky ny mpitandrina ireo nandritra izay 3 andro izay, araka ny lohahevitra hoe: “Zanaky ny mpitandrina, vavolombelon’i Kristy eo amin’ny fandraisana andraikitra.” Mifandray tsara amin’ny fotokevitra ara-tSoratra Masina iainantsika FJKM mandritra ny 4 taona ny maha vavolombelon’i Kristy, hoy ny Filoha Atoa ANDRIAMAHAZOSOA IRAKO Ammi, Mpitandrina, ary resahana manokana ny fandraisana andraikitra, satria zanaky ny tomponandraikitra izy ireo. Namaky lay tamin’ny fampianarana rahateo ny Filohan’ny FJKM ka nanazava fa ny zanaky ny mpitandrina dia tokony ho fitaratra eo imason’ny fiangonana ary miara-tomponandraikitra amin’ny Mpitandrina rainy na reniny. Tamin’io ihany koa no fotoana nahafahan’ny samy Zanaky ny Mpitandrina nifandray bebe kokoa sy niara-paly ary nifampizara fanomezam-pahasoavana. Nampiavaka izao Fihaonambe voalohany izao koa ny nahafahan’izy ireo sahady nanatanteraka asa sosialy tamin’ny alalan’ny famangiana ireo toby sahanin’ny Aumônerie FJKM dia ny fitaizana zaza kamboty eny Tangaina, ny TOPAZA eny Ambohipotsy, ny fonja ho an’ny ankizy tsy ampy taona eny Antanimora ary ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalàna.

Ny tena nahafaly indrindra, hoy Ramatoa ANDRIANIMANANA Mialisoa, Mpitandrina, Filohan’ny Komity mpikarakara ny fihaonambe, dia ny fahatongavan’ny mpizaika marobe ka saika nahitana solotena avokoa ny synodamparitany rehetra manerana ny sahan’ny FJKM. Zava-dehibe izany satria teo am-pamaranana izao Fihaonambe santatra izao no nifanendrena mpandrindra isaky ny synodamparitany mba hisian’ny fandaminana tahaka ny any amin’ny firahalahian’ny Mpitandrina.

Niry Rakoto, SF

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV