Hafatry ny Filoha/ Okt 2018

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA

Fa efa tena misy olona

Manolo-tena marobe

Miara-miasa ankehitriny

Hitety havoana, lohasaha,

Hamakivaky ala be

Sy hiampita renirano,

Hiaritra ny hainandro,

Tsy matahotra oran’andro,

Na fanala mahangoly …

Eny, tena misy izany !

Ary, isaorana ny Tompo,

Fa mitombo hatrany hatrany

Ianao koa, ankehitriny,

No antsoin’ny Tomponao

Mba hanaiky sy hankato

Ny baiko izay omeny anao,

Raha Fiangonany ianao.

Fa anio dia tonga indray

Ny teny baiko feno hery:

Efa, he, natolotra Ahy”,

Hoy i JESOA, “ny fahefana

-ny fahefana rehetrarehetra-

Na ny any an-danitra any,

Na ny eto an-tany koa.

Koa mandehana ianareo

Ataovy mpianatro avokoa

Ny firenena rehetrarehetra.

Mandehana, izaho no momba!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi

Mpitandrina , Filohan’ny FJKM.

 

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV