SP 10 / FJKM Ambohimamory Malala Orimbato

            Miatrika tanteraka  ny  FAHA 150 TAONANY

Tanteraka ny Alahady 15 jolay 2018 lasa teo ny ezaka ho fiatrehana  ny fiadiana ny fototra ao amin’ny lafiny andrefan’ny Fiangonana. Niara-nientana nandray anjara tamin’izany asan’Andriamanitra izany ny mpianakavin’ny finoana sy ireo izay rehetra malala-tanana. Tsiahivina  hatrany fa ny fanitarana ny fiangonana, izay tsangambato amin’izao faha 150 taona izao, no asa nomen’ny Tompo ho tanterahana.

Mitohy hatrany koa anefa ireo hetsika isam-bolana, ka anjaran’ny “ TANORA faha 150 taona” ny Alahady 29 jolay ho avy izao.  Hisy ny fijoroana vavolombelona noho ny nahatrarana izao faha 150 taona izao amin’ny alalan’ny raki-pahasoavana. Tsy hadino ihany koa ny Takarivan’ny faha 150 Taona tamin’io alahady io.

Eto am-pamaranana dia indro hindramina ny tenin’Atoa RAZANADEVA Arthur Mpitandrina ny faha 14 Jolay 1969, ao amin’ny “Teny fanolorana” ny boky  mirakitra ny tantaran’ny Fiangonana:

“Ny fiezahan’ireo mpiasan’Andriamaitra nifandimby nomban’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina dia nampandroso hatrany ny asan’ny Fiangonana….Todiho ny lasa ry Taranak’Ambohimamory ô ! Banjino ny ho avy ka tano mafy izay anananao. Mandrosoa ho amin’ny fahamendrehana hatrany, manàna fahamarinana, arovy ny tenanao tsy hisy pentipentina ary miezaha mandrakariva hampandroso ny Fanjakan’i Kristy. Onero ny banga, havaozy ny fiainana rehetra ary aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.”

Ramatoa RAHARINJATO Herisoa

Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady

Komitin’ny faha 150 taona

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV