FJKM Québec- Canada / Fanokanana Diakona.

 

Tontosa soamatsara  ny Alahady 06 Mey 2018 lasa teo ny fanokanana ireo diakona mianadahy tao amin’ny FJKM QUEBEC CANADA. Miisa 12 izany izao ny isan’ny diakona ao amin’ny  fiangonana iray any ivelan’i Madagasikara , anatin’ny  SP VATOFEHIZORO AMPITANDRANOMASINA . Marihana fa ny Mpitandrina mitondra izany fiangonana niorina vao haingana izany dia Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo mivady , manohy ny asan’ny Mpitandrina COOPER Perline  izay azo lazaina fa nisava làlana tamin’ny fiorenan’izany fiangonana FJKM izany .

Mirary soa ho an’ny Mpitandrina Hasinarivo mivady isika . Mirary soa ireo mpiara-miasa rehetra any an-toerana , hahefa be amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy sy ny fitoriana ny Filazantsara .

Ho voninahitr’ Andriamanitra irery ihany .

Nangonin-dRamatoa Sahondra 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV