Hafatry ny Filoha / Mey 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia i Madagasikara

Hatrany an-tendrony avaratra

Ka ho tonga hatrany atsimo,

hahatratra ny atsinanana

ary ho tonga hatrany andrefana,

mba tsy hisy faritany

hitankizina amin’ny haizina

ao anaty fahantrana

dia ny fahantram-panahy

sy ny fahantran’ny nofo

ary fahantran’ny saina

Fa ny Filazantsara

Entintsika dia hitondra

Fahazavana ho azy ireny,

hampandroso ny fiainany.

Koa hatao ny toriteny,

fa tsy havelantsika akory,

saingy irosoana koa

ny fanampiana ireo vahoaka

amin-javatra ilainy.

Tsy maintsy omena fahalalana

Izy ireo raha tiana hivoatra

Tsy ho azon’olona ambakaina;

Tsy maintsy omena torohevitra

Amin’ny fiainany isan’andro

Hahatsapany fa i JESOA

Dia mihevitra tokoa

Ny fiainany tontolo,

dia ny famonjena ho azy

saina, vatana, fanahy!

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina 

Filohan’ny FJKM

 

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV