Ilàna fahavononana ny fiavian’i Jesoa
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Novambra 2026
Sal 34. 1-3 / Hira 21: 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 650: 1,2
1 Tesaloniana 5,1 - 11
1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, 2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. 3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. 4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. 5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. 6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr. hiari-tory] 7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina. 8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. 9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory. 11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.Ilàna fahavononana ny fiavian’i Jesoa
Eo am-piandrasana ny fiveranan’i Jesoa eny amin’ny rahon’ny lanitra:
1. Aoreno ny fanantenana (and 2)
«satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo» Tsy manantena tsy misy akory ny Kristiana raha miandry ny fiverenan’i Jesoa. Zavatra efa azo antoka izany. Tsy misy antony tokony hisalasalana na hampametra-panontaniana indray. Na eo aza ny karazana fampianaran-diso samihafa, mitobaka, te hampiditra fisalasalana ao anatin’ny mino hoe, tsy marina izany, tsy misy izany. Isika kosa miara-milaza amin’í Paoly hoe: «Fantatro izay inoako» (2 Tim 1. 12) Koa tsy ny miandry amin’ny fanantenana ihany no anjarantsika, fa tena andrasana amintsika koa ny mitory izany fahamarinana momba ny fiverenan’i Jesoa izany mba hampiorina ny finoan’ny hafa koa. Ilana fahasahiana ny mijoro
2. Ivelomy ny fahazavana (and 5)
«Fa ianareo dia zanaky ny mazava….» hoy ny fanohizan’i Paoly azy. Ny hevitry ny hoe zanaky ny mazava dia hoe, hita sy azo alain-tahaka ao anatin’ny tontolo feno aizina. Tsy mirona hanara-davahana fotsiny amin’ny fanaon’izao tontolo izao. Tsy mihazakazaka amin’ny fiadanana sandoka (vola, harena, fahefana…) fa mahafantatra tsara ny zava-dehibe sady maika no laharam-pahamehana (and 3). Taomina ary isika, hijoro ho vavolombelona mba hahamarina ny tenin’i Jesoa hoe: « ianareo no fahazavan izao tontolo izao » (Mat 5. 14)! Tsy amin’ny teny ihany, fa amin’ny asa koa: mifampahery sy mifananatra (and 11), mifampivavaka ny mifankatia (and 14), ary koa miaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra, mifady ny ratsy (and 22)
Fanontaniana
Ho avy i Jesoa, hatraiza ny fahavononanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady