Ny fiadiana hiatrehana ady

Mofonaina anio: Talata, faha 17 Novambra 2026

Sal 24.7-10 / Hira 140: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 643: 1,2

Efesiana 6,14 - 20
14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara 20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]

Ny fiadiana hiatrehana ady

Mizara roa mazava tsara ny Epistily ho an’ny Efesiana. Ny -3 día miresaka ireo foto-pampianarana, mahavaly ny fanontaniana hoe inona no nataon’Andriamanitra, ary ny 4-6 kosa manoro ny tokony hatao, ary mamaly ny fanontaniana hoe: Ahoana ary no iainana ny famonjena? Mahakasika ity tapany ity sady mamaranaa azy ny mofonaina anio. Telo loha no hafatra:

1. Mahereza (and 10)

«Farany, mahereza ao amin’ny Tompo… » hoy ny Soratra Masina. Mitaona antsika izany hahatakatra fa tsy amin’ny fitanondrehana na fahaketrahana sy fahadisoam-panantenana no tokony hiatrehantsika ny andavanandrontsika, satria olom-boavonjy isika, azontsika antoka ny tanjaky ny herin’ny Tompontsika. (Jereo ny 2 Tim 1.7).

2. Mivonona (and 13)

« Noho izany, raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra… » Midika izany, fa tsy mandeha ho azy akory ny fiainantsika, misy ady tsy maintsy atrehina, misy sarotra sy mafy tsy maintsy lalovana. Tsy ady aman’olona anefa, sao diso fahavalo isika (and 12), ary izany indrindra no hilazan’i Paoly hoe «fiadian’ Andriamanitra» fa tsy basy aman-tafondro na antsy aman-tsabatra, fa ireo efa voatanisa rahateo (misy enina karazana) Atreho ny ady, tahaka ny niatrehan’i Jesoa ny hazofijaliana mba hahazoana antoka ny fandresena.

3. Mivavaha (and 18)

« Mivavaha mandrakariva… » : Ireo fiadiana voatanisa fa tokony horaisina, na izay fiarovan-tena (ampinga) na izay hamelezana (sabatra), dia tsy afa-misaraka amin’ny vavaka. Fa ny vavaka no antoka handresena (Mat 26. 41) hoy i Jesoa!

Fanontaniana

Hatraiza ny fahavononanao hiatrika ady?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny Toetran’Andriamanitra

Alatsinainy, 16 Novambra 2026

Ny Toetran’Andriamanitra Ity anjara mofonainantsika ity dia mampianatra antsika fa ny Andriamanitsika dia: 1.Mahita, miditra…

Ny atao mba hananana faharetana

Alahady, 15 Novambra 2026

Ny atao mba hananana faharetana Manoro hevitra an’i Timoty manoloana ireo faharatsiana izay tsy maintsy…

Ny tombony ho an’ny olona mino an’i ...

Asabotsy, 14 Novambra 2026

Ny tombony ho an’ny olona mino an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy Azy Mampianatra sy…