Ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Novambra 2026
Sal.29,1-2 / Hira 36:1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.18
Marka 13,24 - 32
24 Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, 25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra. 26 Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra. 27 Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra* hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.[*Gr. rivotra] 28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] 30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan'izany rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na: ity firenena ity] 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.Ny fiavian’ny Tompo
1. Fanehoany ny heriny sy ny voninahiny (And.26)
Voalaza fa hisy fahoriana mafy amin’izany andro izany, ary hitohy amin’ny fikorontanan’ny zava-boahary eny amin’ny lanitra, mba hilazana ny fiafaran’izao rehetra izao. Mandritra izany no ho avy amin-kery sy am-boninahitra ny Zanak’olona; ary ny olombelona rehetra no hahita Azy. Tsy ho tahaka ilay fahaterahana feno fanetren-tena tao an-tranon’omby intsony fa fisehoana avy any ambony maneho ny maha Tompo sy Mpanjaka ary Andriamanitra Azy. Ny hery sy ny voninahitra dia efa nananan’i Kristy tao amin’Andriamanitra Ray hatramin’izay, eny talohan’ny fahariana aza (Jao.17,5). Fa noho fikasan’ny Tompo hamonjy izao tontolo izao dia tsy naharihariny loatra izany.
2. Fanangonana ny mino rehetra (And.27)
Ny fiavian’ny Tompo dia fotoana hitsarana ny olona rehetra ka hanavahana ny mino amin’ny tsy mino. Ny mino dia ho voavonjy, fa ny tsy mino kosa ho very. Voalaza eto fa ny anjely no iraka hanangona, ary ho entina ao Kanana vaovao ny olom-boafidiny rehetra mba handray ny lova efa nomaniny. Hitsahatra ny fahoriana rehetra rehefa tonga ao amin’ilay fankajan’ Andriamanitra feno fiadanana tsy misy fetra. Izay rehetra ao amin’i Kristy dia azo antoka fa ho voangona ho amin’izany fanjakana izany, ka tsy hisy tavela na dia iray aza fa ho voaray avokoa. Izany fahamarinana izany dia miorina amin’ny Tenin’ny Tompo izay maharitra mandrakizay satria tsy ho levona hoy izy (and.31).Araka izany, irin’ny mino fatratra ny fahatongavan’ny fiavian’ny Tompo satria ho fifaliana feno sy tanteraka izany.
Fanontaniana:
Efa vonona hitsena ny Tompo amin’ny fifaliana eny amin’ny rahon’ny lanitra ve ianao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady