Ny andro farany sy ny fiverenan’i Jesoa
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Novambra 2026
Sal.46,1-3 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 51:1,2,3
Matio 24,36 - 44
36 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. 37 Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, 39 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 40 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 42 Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. 43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.Ny andro farany sy ny fiverenan’i Jesoa
Manohy ny resaka momba ny andro farany sy ny fiverenany indray i Jesoa ka manambara fa :
1. Ho tampoka ny fihaviany indray (and.36-40)
Voalaza hoe: « fa amin ‘izany andro izany », midika izany fa tsy maintsy ho avy ny andro hiverenan’ny Tompo. Tsy misy isalasalana izany, saingy tsy fantatra ny fotoana na ny andro na ny ora. Noho izany, tsy misy mahalala ny fotoana izay hiavian’ny Zanak’olona. Tena ho tampoka ho an’izao tontolo izao izany fotoana izany, tahaka ny tamin’ny andron’i Noa. Andriamanitra Ray irery ihany no mahalala izany. Na izany aza dia nambaran’i Jesoa ny famantarana rehetra hiseho. Araka izany, lainga sy fitaka avokoa raha misy olona milaza ho mahafantatra ny andro hiavian’ny Tompo. Koa aza variana na lany andro miady hevitra na mamantatra izany fotoana izany.
2. Miomana amin’ny fiavian’ny Zanak’olona (And.41-44)
Koa satria tsy fantratra ny fiavian’ny Tompo fa ho tampoka toy fahatongavan’ny mpangalatra, dia nanoro hevitra Jesoa mba hiambina mandrakariva. Ilay fiambenana eto dia tsy afa-misaraka amin’ny fahavononana, izany hoe manana ny zavatra rehetra hiatrehana ny fiaviany. Olona ao anatin’ny fankatoavana ny Soratra Masina, ary raha sendra solafaka dia miverina mibebaka malaky ao amin’Andriamanitra Ray; olona mino an’i Jesoa ho Mpamonjy Azy ka mitahiry izany finoana izany amin’ny vavaka sy ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra sady mazoto amin’ny asa fanompoana. Koa ataovy tsara ny fiomanana mba tsy amin-tahotra no hitsenana ny Tompo fa mba ho amin’ny fifaliana.
Tsy zava-dehibe ny fahafantarana ny andro na ny ora hiverenan’ny Tompo fa ny fahavononana hitsena Azy no ilaina.
Fanontaniana:
Raha tonga anio ny Tompo, voaray ianao sa tavela?
Foibe Sampana Sekoly Alahady