Mihaona amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Novambra 2026

Sal.96,7-10 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 81:1.4

Amosa 4,12 - 13
12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô. 13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.

Mihaona amin’ny Tompo

Mampiomana ny Isiraely hifanatri-tava amin’Andriamanitra i Amosa mpaminany. Mihaona amin’ny Tompo mba:

1- Hibebaka Aminy

Andriamanitra no miteny eto hoe:  « miomana hihaona amin Andriamanitrao ». Ity fihaonana ity dia fiala-nenina ataon’ny Tompo noho ny hamafin’ny fon’ny Isiraely. Efa maro ireo famaizana nataon’ny Tompo mba hiverenany Aminy: tao ny mosary, ny fiaton’ny orana, ny valala, ny aretina, ny fandravana. Voalaza anefa fa tsy niverina tamin’Andriamanitra ny vahoaka. Izao dingana ataon’ny Tompo izao dia endriky ny famindrampony mba hibebahan’ny olony ka hialany amin’ny ratsy fanaony mba tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra. Tena miala nenina amin’ny olona Andriamanitra Ray tamin’ny nanomezana an’i Jesoa Kristy Zanany lahitokana mba hamonjy ny olona rehetra ao amin’ny fahotana sy anatin’ ny faharatsiana.

2. Hanome voninahitra Azy

Miantefa manokana amin’ny Isiraely izao antso izao amin’ny filazana hoe « Andriamanitrao ». Vahoaka izay efa mahalala tsara an’Andriamanitra. Mbola averina eto indray anefa ireo mamaritra sy mandrafitra ny maha Andriamanitra mahery sady lehibe Azy. Izy no Andriamanitra Mpahary, mahafantatra sy mifehy ary tena manana fahefana amin’izao rehetra izao. Izay andrasana amin’ireto vahoaka ireto dia ny fanajana sy ny fankatovana ka hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ity fihaonana indray maka ity. Ny fanompoam-pivavahana dia endrika iray hihaonana amin’ny Tompo. Noho izany dia tokony hanetry tena hatrany, hiaiky ny fahotana, hibebaka ary hikatsaka ny voninahitr’ Andriamanitra mandrakariva.

Fanontaniana:

Inona no mahamaika anao rehefa hihaona amin’ny Tompo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Mampahafantatra sy mampiomana i Jeso...

Talata, 3 Novambra 2026

Talata, faha 03 Novambra 2026   Sal.125/Hira200.1,2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 512.1.2 Matio 24, 1-14 Namaly ny fanontanian’ny mpianatra…

Ny fomba fiainana sy fitondrantena k...

Alatsinainy, 2 Novambra 2026

Romana 12, 14-21 Manoratra ireo fomba fiainana sy fitondrantena kristiana eny anivon’ny fiaraha-monina misy ny…

MIOMANA AMIN’NY FIAVIAN’NY TOMPO

Alahady, 1 Novambra 2026

MIOMANA AMIN’NY FIAVIAN’NY TOMPO Ho avy ny Tompo ka handrigana ny ratsy. Saingy izay tsara…