Ny vavaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Oktobra 2026
Sal.103. 1-5 / FF 7 / Vavaka / Mofonaina / FFPM 426
Jakoba 5,13 - 20
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. 14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr. presbytera] [** Gr. eklesia] 15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. 16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. 17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. 18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany. 19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, 20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.Ny vavaka
1- Mitondra fanasitranana
« Ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy… » (and. 15)
Teo amin’ny Fiangonana voalohany, raha misy marary dia nantsoina ny Loholona hivavaka ho azy. Ny fanosorana diloilo azy, izay fanehoana ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia atao amin’ny anaran’ny Tompo. Vavaka mitodika amin’Andriamanitra fa tsy mitodika amin’ny tombontsoa akory. Ary izaný no antsoina hoe « fivavaky ny finoana ». Araka izany, rehefa miara-mivavaka ho an’ny marary, mivavaka amin’ny finoana dia mihaino izany ny Tompo. Vavaka mitondra fahasalamana izany. Koa mivavaha ho an’ny marary, mivavaha amin’ny finoana an’i Kristy.
2- Mitaky fifamelan-keloka
« Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana hianareo. » (and. 16)
Ny fifamelan-keloka dia olona roa na maromaro samy nanota tamin’ny namany ka miara-miteny izany fahadisoana izany amin’Andriamanitra. Mitovy ny teny lazaina amin’izany. Ny fifamelan-keloka dia manokatra lalana ho amin’ny fahasitranana. Ny vavaka atao ialohavan’ny fifamelan-keloka no mitondra fanasitranana. Tsy afa-misaraka ny fifamelan-keloka sy ny vavaka raha mikendry fahasitranana. Ary izany indrindra no itaomana antsika ho amin’ny fifamelan-keloka, indrindra raha misy marary, fa antoka hahazoana fanasitranana izany.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba entinao mamela ny heloky ny namanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady