Ny fomba fivavaka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Oktobra 2026

Sal 134 / Hira 39. 1.2.3 / vavaka / Mofonaina / Vavaka / Antema 5

Matio 6,5 - 8
5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.

Raha mivavaka ianao dia:

1. Aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy

Nanan-danja teo amin’ny fiaina’ny Jiosy ny vavaka. Mivavaka in-telo isan’andro ny Jiosy vontom-pinoana: vao maraina, mitatao vovonana, ary amin’ny hariva. I Jesoa anefa dia manafatra ny mpianany hoe: ary raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy (and 5) Satria ny ety ivelany toa olona resilahatra, ny ao anatiny feno fankahalana, fialonana. Madio ivelany tahaka ny fasam-bao. Tsy ankasitrahan’i Jesoa ny toy izany, aoka ho marina ny vavaka tononontsika.

2. Ao amin’ny toerana mangina

« … Fa hianao kosa, raha mivavaka dia midira ao amin’ny efitranonao. » (and 6). Satria hihaona amin’Andriamanitra, dia tokony hanana toerana hihaonana manokana Aminy. Fanaon’i Jesoa ny maka toerana mitokana toy izany, mba hihaonany amin’Andriamanitra (14.23; Mar 1.35; Lio 5.16; 6.12). Manan-danja manokana ny vavaka ao amin’ny mangingina. Tanterahina izany ny maraina mba hametrahana ny tontolo andro eo amin’Andriamanitra, ny hariva kosa hanehoana ny fisaorana noho ny famindrampony. Manàna fotoana hihaonana Aminy ao amin’ny mangingina, fa miandry anao ao Izy.

3. Aza atao lavareny

Nomelohin’i Jesoa ny vavaka lavareny (and 7). Matetika lava be ny vavaka atao mba hitanisana ireo andriamanitra ivavahana. Fanaon’ny Grika izany. Tsy ankasitrahan’i Jesoa ny toy izany. Tsy mila miangavy an’Andriamanitra hihaino isika. Raha mbola tsy mangataka Aminy akory dia efa fantany ny zavatra angatahantsika (and 8). Koa asandrato any amin’Andriamanitra izay angatahantsika fa tsy amin’ny olona; mihaino anao Izy, ary mahita ny ataonao ao amin’ny toerana ivavahanao.

Fanontaniana:

Raha mivavaka ianao, toerana aiza no ahafahanao manatanteraka izany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny vavaka ataontsika

Alarobia, 14 Oktobra 2026

Ny vavaka ataontsika dia: 1. Mba ho amin’ny fiteny fantatry ny olona «Nefa raha ao…

Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsem...

Talata, 13 Oktobra 2026

Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane 1. Vavaka anehoana ny fiombonana sy fanohanana Tao ambanin’ny…

Mivavaha mandrakariva

Alatsinainy, 12 Oktobra 2026

Mivavaha mandrakariva 1. Fa ho avy tampoka ny fotoana Hafatra no nataon’i Jesoa ho an’ny…