Mivavaha mandrakariva

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Oktobra 2026

Sal 66. 1-4 / Hira 271. 1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338

Lioka 21,34 - 38
34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra et? ambonin'ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona. 37 Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva. 38 Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.

Mivavaha mandrakariva

1. Fa ho avy tampoka ny fotoana

Hafatra no nataon’i Jesoa ho an’ny mpanara-dia Azy mba tsy ho variana amin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao, fa ho vonona amin’ny fiaviany. Natao ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka ny teny, mba hananan’ny maro toetra mahatoky ara-panahy. Ho avy tampoka ny fotoana, hiverina amin’ny andro tsy ampoizina Izy haka izay mpino mahatoky. Noho izany tsy maintsy mivonona mandrakariva isika, ka ho mahatoky amin’ny fanarahana Azy. Aoka tsy hamita-tena ho marina amin’ny atao,  hevero ny ho avin’ny finoana izay arahina. Koa mivavaha, ary ataovy ho fiainana izany fa aza atao ho fahazavana. Mivavaha mandrakariva.

2. Mba hahery, handositra izay zavatra ho avy

Ny « zavatra ho avy », dia ireo zavatra mahatsiravina rehetra hihatra amin’izao tontolo izao amin’ny andro farany (fahavetavetan’ny fandravana, mpaminany sandoka…) Tsy maintsy miambina hanohitra ny fahotana ny mpanara-dia an’i Kristy, sady mivavaka, tsy tokony hihena ny fitiavany an’i Kristy. Mety be ny hilaza hoe: mpino, fa izay matoky, mahatozo mivavaka amim-pahatokiana no ampakarina hiala amin’izao tontolo izao. Ka ny mpino ao amin’ny Fiangonan’i Kristy ihany no voakasik’izany, mba tsy ho tratran’ny zavatra ho avy. Ry havana, aza mahafoy ny fiarahana miombom-bavaka, herezo hatrany mba hitomboan’ny finoana, hijoroana ho vavolombelon’i Kristy eo anatrehan’izao fiainana mandalo izao. Mivavaha ka aza mitsahatra, mazotoa amin’ny fiombonana, mahereza. Tsarovy fa miara-mandeha amintsika ny Tompo (Mat 8.20)

Fanontaniana:

Mba maharitra amin’ny fivavahana ve ny olona amin ‘izao fotoana izao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny faharetana amin’ny vavaka

Alahady, 11 Oktobra 2026

Ny faharetana amin’ny vavaka 1. Omena ny teny fampanantenana Taratasy nosoratan’i Jeremia ho an’ireo Jiosy…

Tia antsika Andriamanitra

Asabotsy, 10 Oktobra 2026

Tia antsika Andriamanitra 1. Mamaly vavaka Izy (and 3) Hoy Davida: « Tamin’ny andro nitarainako dia…

Ny mpanompon’Andriamanitra

Zoma, 9 Oktobra 2026

Ny mpanompon’Andriamanitra dia: 1. Mifandray tsy-tapaka amin’Andriamanitra (and 16-18) Eo amin’ny fiainana dia mifandimby ny…