Ny vavaka ataontsika

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Oktobra 2026

Sal 96. 1-6 / Hira 36. 1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 336

1 Korintiana 14,13 - 25
13 Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. 14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona. 15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho. 16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy. 17 Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina. 18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho; 19 nefa raha ao am-piangonana*, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [* Gr. eklesia] 20 Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa. 21 Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12). 22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino, fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy mino. 23 Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny tsy mino, tsy holazainy va fa very saina ianareo? 24 Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra; 25 ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.

Ny vavaka ataontsika dia:

1. Mba ho amin’ny fiteny fantatry ny olona

«Nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra » (1 Kor 14.19). Tian’ny mpanoratra ny manambara teny vitsivitsy amin’ny fiteny azon’ny olona rehetra fantarina, toy izay hamoaka teny maro nefa tsy misy mandika. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanompoana ny vavaka, koa aoka ho marina sy mazava ary azon’ny olona ny tian-kambara amin’izany. Ny tsy fahazoan’ny olona izay teneninao amin’ny fiteny tsy fantatra dia mety hampihemotra ny hafa amin’ny fanompoana. Ao anatin’ny vavaka atao no anehoan’ny olona ny fangatahana sy vetsovetsom-po tiany ho tanteraka eo amin’ny fiainany. Koa raha mivavaka isika, aoka ho amin’ny fiteny fantatry ny olona.

2. Aza mirehareha amin’ny zavatra tsy hay

« Ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ny tsy mino. » (and 22). Ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra ao am-piangonana dia mety ho fitaratra tsy tsara ho an’ny tsy mino, satria toy ny hoe ny tsy mino dia tafasaraka amin’Andriamanitra, ka tsy hahatakatra izay lazain’ireto mino (and 22,23). Toy ny hoe: misy fanavahana. Ny teny dia natao hifandraisan’ny maro, izay manaiky hiara-miombona ho isan’ny Fiangonana. Manan-danja ny teny, ka izay iombonana no imasoana. Ny vavaka ataontsika àry dia ho amin’ny fiteny azon’ny maro, ialao izay tsy hiraisana, aza mirehereha amin’ny fiteny tsy fantatra, fa aoka izay atao ho fampandrosoana ny maro, satria izany no sitrak’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Mba fantatr’ireo izay miteny ve, ny teny tsy fantatra avoakan’ny vavany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsem...

Talata, 13 Oktobra 2026

Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane 1. Vavaka anehoana ny fiombonana sy fanohanana Tao ambanin’ny…

Mivavaha mandrakariva

Alatsinainy, 12 Oktobra 2026

Mivavaha mandrakariva 1. Fa ho avy tampoka ny fotoana Hafatra no nataon’i Jesoa ho an’ny…

Ny faharetana amin’ny vavaka

Alahady, 11 Oktobra 2026

Ny faharetana amin’ny vavaka 1. Omena ny teny fampanantenana Taratasy nosoratan’i Jeremia ho an’ireo Jiosy…