Tia antsika Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Oktobra 2026
Sal 139, 1-6 / Hira 36: 1 / Vavaka / Mofonaina / vavaka / Hira FF 14
Salamo 138,1 - 8
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany, izay mbola heken'ny mpanjaka rehetra] Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao. 2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra. 3 Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. 4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy. 5 Eny hihira ny amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah. 6 Fa na dia avo aza Jehovah dia* mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.[Na: Fa avo Jehovah ka] 7 Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. 8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.Tia antsika Andriamanitra
1. Mamaly vavaka Izy (and 3)
Hoy Davida: « Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianoo… »(and3). Rehefa miantoraka tanteraka amin’ Andriamanitra ny mpanompony dia tsy vitan’ny manongilana ny sofiny ihany Izy hihaino azy, fa tena mamaly ny fitarainany. Izany famalian’Andriamanitra izany no nitondra hery sy fahasahiana nanosika an’i Davida hidera Azy. Tsy mba tahaka ny olona Andriamanitra, fa rehefa antsoina Izy, ary mangataka Aminy amin’ny finoana, dia mamaly Izy.
Ny famalian’ Andriamanitra rahateo dia maneho ny fitiavany sy ny fahatokiany. Koa aza misalasala manatona Azy amin’ny alalan’ny vavaka. Matokia fa mihaino sy mamaly amin’ny fotoana mety Izy.
2. Mahalala ny zavatra rehetra Izy (and 6)
Hoy ny and 6: « Fa na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra; ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny. » Andriamanitra dia mahalala ny ao anatin’ny olona rehetra: ny toe-pony, ny toe-tsainy, ny toe-panahiny, ny fikasany sy ny faniriany. Ireo izay mitafy fanetren-tena dia akaikeziny sy asandrany, fa ny mpiavonavona, izany hoe ireo izay manandra-tena sy fatra-pirehareha, dia hotoheriny. Tsy misy na inona na inona miafina eo anatrehan’Andriamanitra. Koa satria mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra. Koa aoka isika hitafy fanetrentena eo anatrehany. Tsarovy fa mahita sy mahalala ny fo sy ny fiainanao Izy.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fisehon’ny fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fainan’ny mpino?
Foibe Sampana Sekoly Alahady