Ny mpanompon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Oktobra 2026
Sal 96,7-10 / Hira 514: 1, 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 547:4
1 Tesaloniana 5,16 - 25
16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. 19 Aza mamono ny Fanahy. 20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. 21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. 22 Fadio ny fanao ratsy rehetra. 23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. 24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. 25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.Ny mpanompon’Andriamanitra dia:
1. Mifandray tsy-tapaka amin’Andriamanitra (and 16-18)
Eo amin’ny fiainana dia mifandimby ny fifaliana sy ny fahoriana. Amin’ireo rehetra ireo anefa, ny tena kristiana dia mijoro mandrakariva amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Ny fifaliana, ny vavaka ary ny fisaorana Azy no maneho fa mitoetra tsara amin’ny finoana ny olona iray. Amin’ny alalan’ny vavaka no ifandraisana amin’Andriamanitra, ary izany no ampirisihin’i Paoly ny Fiangonana. Ny fisaorana amin’ny toe-javatra rehetra koa dia maneho ny fahatokiana feno ny fitondran’Andriamanitra. Koa mahereza mivavaka ary misaora Azy amin’ny zavatra rehetra.
2. Miankina amin’ny Fanahy Masina (and 19-22)
Tsy tokony hanohitra na hanakana ny asan’ny Fanahy Masina ny mpino, fa hanaiky izany. Kanefa mampitandrina i Paoly fa tokony dinihina sy zahan-toetra ny fampianarana, izay tsara sy marina no raisina. Maro mantsy ireo fampianaran-diso niely tamin’ny fotoana nanoratana izao epistily izao. Ilain’ny mpino ny mandositra ny faharatsiana rehetra mba hitoetra ao amin’ny fahamasinana hatrany. Araho ny fitarihan’ny Fanahy Masina, hahaizana manavaka ny marina sy ny diso.
3. Mifampivavaka (and 25)
« Ry rahalahy, mivavaha ho anay » (and 25). Nangataka ny vavaky ny Fiangonana tao Tesalonika i Paoly. Ny mifampivavaka dia manamafy ny firaisan’ny mpino, ary maneho fifankatiavana ao amin’ny Fiangonana. Ny mpanompon’Andriamanitra dia mihevitra ny hafa, mila mifanohana am-bavaka. Mivavaha ho an’ny mpitondra Fiangonana sy ireo mpanompon’Andriamanitra. Tsarovy am-bavaka ny olona rehetra.
Fanontaniana:
Inona avy ireo toetra tokony hiainan’ny mpanompon’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady