Ny tokony atao manoloana ny ady atrehina

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Oktobra 2026

Sal 103, 20-22 / Hira 20,1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 271, 4

Efesiana 6,10 - 18
10 [Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. 11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. 12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. 14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,

Manoloana ny ady atrehina dia

1. Itafio avokoa ireo fiadiana nomen’ny Tompo (and 11-17)

« Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra » (and 11a).

Ireto avy izany: ny fahamarinana ho fehin-kibo, izany hoe miaina amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana, manao ny rariny ho fiarovan-tratra, ny Filazantsara ho kiraro, izany hoe ho vonona mandrakariva hitory sy hiaina ny Filazantsara, ny finoana ho ampinga ka izaný no hanoherana ny zana-tsipika mirehitra ataon’i Satana toy ny fisalasalana sy ny tahotra, ny famonjena ho fiarovan-doha, ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. Izany no fitaovam-piadiana enti-manafika sy mandresy ny fahavalo. Ny fitafiana ireo rehetra ireo no antoka handresen’ny Kristiana. Ho ahy sy ho anao, tsy ampy ny manana finoana fotsiny fa ampiasao ireo fiadiana rehetra ireo.

2. Mivavaha mandrakariva (and 18)

Ampirisihin’i Paoly ireo Kristiana mba hivavaka mandrakariva ao amin’ny Fanahy. Ny vavaka no mampifandray ny mpino amin’Andriamanitra, sy hahafahan’ny mpino misaotra, mifona sy mibebaka, mangataka izay iriany amin’Andriamanitra. Amin’ izany no hahazoana mangataka hery iatrehany ny ady. Ny fotoana izay hanatanterahana izany dia « mandrakariva ». Ny Kristiana tsy manana fiainam-bavaka dia mety ho resy amin’ny ady ka ho azon’ny fanangolen’ilay ratsy. Ho ahy sy ho anao, mivavaha mandrakariva ka aza mitsahatra.

Fanontaniana:

Ahoana no fomba iatrehanao ny ady amin’ny fanarahan-dian’i Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Mihazona ny finoako hatrany aho

Alarobia, 30 Septambra 2026

Mihazona ny finoako hatrany aho 1-Na dia tsy nizotra araka ny izy aza ny asa…

Izay mino an’i Jesoa Tompo

Talata, 29 Septambra 2026

Izay mino an’i Jesoa Tompo 1-Manao ny asa nataony « Izay mino Ahy, ny asa ataoko…

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra

Alatsinainy, 28 Septambra 2026

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra 1-Mahazo mangataka izay tiany amin’ny Tompo « Ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao…