Mihazona ny finoako hatrany aho
Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Septambra 2026
Sal 89 / Hira 486 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488
Habakoka 3,17 - 19
17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, 18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy. 19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.Mihazona ny finoako hatrany aho
1-Na dia tsy nizotra araka ny izy aza ny asa natao
« Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy… » (and17): Taratry ny asa natomboka ireo voatanisa eto toy ny aviavy, voaloboka, oliva, saha, ondry ao amin’ny vala. Indraindray dia tsy araka izay vokatra nandrasana no hita amin’ireo asa natao ireny. Hoy ny oha-pitenenana malagasy hoe: « Raha indray mandeha no manta vary, aza mandevin-tsotrobe ». Toy izany koa ny hoe: « Nanakofa ve ny vary tamin’ito, mihaodihaody ny mosary? Aza kivy ambony ihany, mamafaza na dia im-pito ». Maro ireo sedra nihatra tamin’ny martiora fa tsy nahakivy azy ireo izany.
2-Mbola hifaly sy hiravoravo hatrany
« Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ny Jehovah ihany… » (and18). Ny mpino miorina amin’ny finoana dia tsy manankina ny fifaliany sy ny fiainany manontolo amin’ny asa sy ny hita maso azo tsapain-tanana. Toa an’i Jesoa izay manaiky hatramin’ny farany ny fijaliana sy ireo sedra tsy maintsy natrehany. Izany fahaizana miravoravo ao amin’ny Tompo izany dia isan’ny fototry ny valim-bavaka ho an’ny mpino (Sal37.4). Misaora ny Tompo hatrany.
3-Ny Tompo no tanjako
Ny fanatrehan’ny Tompo, ny fampaherezana avy Aminy no ahafahan’ny mpino manohy hatrany ny hazakazaka.
Fanontaniana
Nahoana ny mpino no misaotra amin’ny zavatra rehetra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady