Ny mpino miasa amin’ny finoana
Mofonaina anio: Talata, faha 22 Septambra 2026
Sal 34 / Hira 540 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 46
Salamo 37,1 - 11
1 [Salamo abidy. Ny tsi-faharetan'ny fanambinana ny ratsy fanahy, ary ny fahatezan'ny fitahiana azon'ny tsara fanahy] Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. 3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. 5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. 7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy. 8 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany. 9 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany. 10 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy. 11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.Ny mpino miasa amin’ny finoana
1-Matoky ny Tompo, ka manao soa.
Eo anatrehan’ny toe-javatra izay mety mahakivy, toy ny fahombiazana isitrahan’ireo olona sasany izay ivelan’ny fanompoana ny Tompo, dia mitondra fampaherezana ny mpanao Salamo. Mandalo ihany ireny toa fandresena vetivety ireny. Ny fahatokiana ny Tompo ihany no antoka ahafahana misitraka ny tany nampanantenaina. Jesoa Tompo dia nijoro hatramin’ny farany tamin’ny fahatokiana an’Andriamanitra Ray izay naniraka Azy.
2-Miravoravo ao amin’ny Tompo
Ny hoe miravoravo amin’ny Tompo dia mametraka Azy amin’ny toerana ambony indrindra mendrika Azy. Miraiki-po Aminy, tia Azy amin’ny fo rehetra, amin’ny saina rehetra, amin’ny hery rehetra. Amin’izay dia mifanojo amin’ny sitrapony ny hetahetantsika. Izay tiany no tiantsika. Rehefa izay asan’ny finoana tian’ny Tompo ataontsika no tanterahantsika dia omeny antsika izay irin’ny fontsika.
Hoy Jesoa: « Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra aminareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany » (Jao 15, 7).
3-Manankina amin’ny Tompo ny lalana aleha.
Tsy miantehitra amin’ny herin’ny tena, na amin’ny hafa. Omen’i Jesoa fitsaharana izay miankina Aminy (Mat11,28)
Fanontaniana
Inona no voka-tsoa amin’ny fiankinana amin’ny Tompo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady