Ny olona miasa amin’ny finoana
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Septambra 2026
Sal 66 / Hira 311 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305
Hosea 10,9 - 12
9 Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana. 10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha. 11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga* ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako] 12 Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo*; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo**.[*Na: Miasà tany vaovao ho anareo][**Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]Ny olona miasa amin’ny finoana
1- Mamafy araka ny fahamarinana
« Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana » (and12): Isan’ireo mpaminany izay nijoro hanohitra ny tsy rariny tokoa i Hosea. Laviny ny faharatsiana amin’ny endriny rehetra. Ahazoana famaizana avy amin’ny Tompo izany (and.9-10). Ilaina ny manao asa tsara araka ny rariny sy ny hitsiny, asa mifanaraka amin’ny sitraky ny Tompo, sady ara-dalana.
2- Mijinja araka ny fitiavana
Ny « jinja » dia vokatr’izay nafafy. Rehefa natao tsara ny asa sy ny famafazana dia mandray vokatra tsara am-pifaliana ny mpamafy. Raisina am-pitiavana izany vokatra izany, ary hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Raha niverina am-pifaliana nahazo vokatra tsara ireo iraka fitopolo lahy, dia nampianatra i Jesoa hoe: « fa mifalia fa voasoratra any an-danitra ny anaranareo » (Lio 10, 20).
3- « Miasà tany vaovao ho anareo ».
« Hevoy ny tombamborakareo » (and12b). Ambara eo ambany fa io teny io dia midika hoe: « Miasà tany vaovao ho anareo ». Ao amin’ny Jer. 4.3 io teny io dia tohizany hoe! « …fa aza mamafy amin’ny tsilo ». Rehefa niziriziry tamin’ny heviny ny Jiosy dia nitodika amin’ny saha vaovao any amin’ny Jentilisa ny mpitory (Asa13,46).
Fanontaniana:
Hazavao ny teny hoe: « Hevoy ny tombamborakareo »?
Foibe Sampana Sekoly Alahady