Jesoa manangana ny maty
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Septambra 2026
Sal 103.1-6 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 5
Jaona 11,25 - 37
25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. 26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? 27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao. 28 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao. 29 Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy. 30 Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany. 31 Ary ny Jiosy izay tao amin'i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy. 32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin'nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy; 34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. 35 Jesosy nitomany. 36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy! 37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?Jesoa manangana ny maty
1- Mamelona ny finoana sy ny fanantenana Izy (and.25-28)
Ao anatin’ny fahoriana lalina i Marta sy Maria, satria maty i Lazarosy anadahiny. Nataon’i Marta ho zava-dehibe ny nitsena an’i Jesoa sy ny niresaka taminy, ka nilaozany ireo Jiosy izay tonga nitsapa alahelo azy ireo, mba hihaonany Aminy. Tamin’izany no nampaherezan’i Jesoa an’i Marta ka nilazany taminy hoe: » Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? » (and.25-26). Hamelona an’i Lazarosy Izy; mialoha izany anefa dia tian’i Jesoa ny hihaona manokana amin’ny havany. Maro amin’ireo fianakaviana tra-pahoriana no tian’i Jesoa hihaonana manokana, mba hamelomana ny fanantenan’izy ireo sy inoany an’i Jesoa mpanangana ny maty ara-nofo sy ara-panahy.
2- Jesoa miombona alahelo amintsika (and 33-36)
Nanindrona ny fanahiny ny nahita ireo havana tra-pahoriana, noho ny amin’ny fahafatesana izay fahavalo mampahory ny sakaizany: « Vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy » (and.33b). Notadiaviny hatrany am- pasana nilevenany i Lazarosy, izay fototry ny alahelo, mba hananganany azy (and.34). Voalaza fa: « Jesoa nitomany » (and.35). Tsy ranomasom-pamoizam-po na fahadisoam-panantenana anefa ny Azy, fa alahelo noho ny fampahoriana ataon’ny fahafatesana izay manjo ny olombelona. Hita eto ny toetran’i Jesoa izay mampiseho Azy ho olona sy havana akaiky indrindra, miara-ory sy miara-mitondra ny mafy sy ny sarotra amintsika. Tia antsika Izy, ka miombona alahelo amintsika sady manangana antsika amin’izay endri-pahafatesana rehetra.
Fanontaniana:
Nahoana no matahotra fahafatesana ny olona?
Foibe Sampana Sekoly Alahady