Meteza hiasa amin’ny finoana.

Mofonaina anio: Talata, faha 01 Septambra 2026

Sal 66.1-7 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305

1 Korintiana 3,1 - 9
1 [Ny amin'ny raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy. 2 Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, 3 fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona? 4 Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo? 5 Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy. 6 Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. 7 Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. 8 Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. 9 Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.

Meteza hiasa amin’ny finoana.

1- Aza mifampiandany (and.1-3)

Nisy fizarazarana sy fifampiandaniana tao amin’ny Fiangonana tao Korinto. Niteraka fialonana sy fifandirana teo amin’ny samy mpino izany ka efa saika nampisara-bazana ny samy kristiana. Ny antony dia samy nitana mafy sy nanindrahindra fatratra ny mpitoriteny izay tiany izy ireo. Ny sasany niandany tamin’i Paoly, ny hafa tamin’i Apolosy. Nananatra azy ireo noho izany i Paoly, ka nambarany fa mampiseho ny Kristiana ho mitovy amin’ny tsy mpino sy ny olon’izao tontolo izao izany. « Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? » (and.3). Ny fisian’ny fifanavakavahana sy ny fifampiandaniana eo amin’ny samy mpino dia taratry ny tsy fahamatorana amin’ny finoana (and 2)

2- Ekeo fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra ianao (and.5-9)

Ny mpitoriteny sy ny mpitondra fivavahana dia tsy tokony hihevitra ny tenany ho nahavita irery ny asan’Andriamanitra satria efa nisy ny teo alohany izay nanomboka ny asa, ary mbola hisy koa ny handimby azy. Oharin’i Paoly amin’ny tanimboly sy volin’Andriamanitra ny Fiangonana, ka tao ny niasa tany, tao ny namboly, ny nanondraka sns… An’Andriamanitra ny asa, ary mpiara-miasa Aminy avokoa izy rehetra, fa Andriamanitra irery ihany no mampahavokatra, ary Izy no Tompon’ny zavatra rehetra, na ny mpiara-miasa izany, na ny Fiangonana.

« Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. » (and.7)

Fanontaniana

Inona no mahatonga ny fifandrafiana eoamin’ny samy kristiana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny mpino mahatoky amin’ny asany

Alatsinainy, 31 Aogositra 2026

Ity resaka momba ny « mamôna tsy marina » ity dia mifamatotra amin’ny fanoharana momba ilay mpitandrina…

Mpino makatoky amin’ny asany

Alahady, 30 Aogositra 2026

Ohabolana 14. 26-31 « …lzay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy: fa ny…

Ny mpino mahatoky amin’ny asany

Asabotsy, 29 Aogositra 2026

« … Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny…