Ry mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Aogositra 2026

Sal 84,1-4 / Hira F 7,1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira F 1.1.2

Genesisy 22,1 - 13
1 [Ny nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho. 2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. 3 Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy, 4 Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany ter? lavitra er?. 5 Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hanker?; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. 6 Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. 7 Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? 8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. 9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay. 10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. 12 Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. 13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.

Ry mpanompon’ Andriamanitra!

1. Aoka ho tsapanao fa ny finoana dia fitokisana tanteraka amin’ Andriamanitra (and. 1-3)

Fantatsika fa i Abrahama dia rain’ny mino. Natoky tanteraka an’Andriamanitra izy ka tsy nanana fisalasalana kely akory raha ny amin’ny hitondrana an’i Isaka hatao fanatitra. Nataony tsara ny fiomanana hanatanterahana izay nasain’Andriamanitra hatao. Tsarovy fa ilay tianao indrindra no takian’Andriamanitra aminao.

2. Aoka ho tsapanao fa ny fitsapana dia tsy hanimba fa hanadiovana ny finoana (and. 5-6)

Isaka, ilay zanaka tokana tian’i Abrahama indrindra no ilay nampanantenain’Andriamanitra. Io anefa no nangatahan’Andriamanitra hatolotra. Tsy niraiki-po tamin’ny fanomezana i Abrahama fa nifantoka tany amin’ny mpanome. Na dia mafy aza izany fitsapana izany dia tsy hita tamin’i Abrahama ny fisalasalana. Ny finoana madio dia tsy misy fisalasalana.

3. Aoka ho tsapanao fa Andriamanitra dia tsy mitaky ny aina fa mpanome aina. (and. 9-13)

Nanana fahavononana tokoa i Abrahama hanolotra an’i Isaka hatao fanatitra. Tsapan’Andriamanitra fa matahotra Azy i Abrahama tamin’ny fahavononany rehetra. Tsy mitady sorona olombelona anefa Andriamanitra ka nanome ondry ho solony. Ny fomba ahitana ny tena fiainana marina ao amin’Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny finiavana hanao sorona sy hanome izay rehetra takiany. Rehefa tonga amin’ny faran’ny herintsika isika dia tonga sy manomboka ny asan’Andriamanitra amintsika. Ny fanolorantena dia mitondra fahasoavana ho amin’ny finoana ary mampahomby ny taranaka aty aoriana.

Fanontaniana:

Efa niatrika fitsapana ve ianao dia inona no hataonao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny tokony ho fiainan’ny mpanompo

Alatsinainy, 10 Aogositra 2026

Ny tokony ho fiainan’ny mpanompo Marihina amin’ity andalan-tsoratra Masina novakiana androany ity ny fifandraisan’ny samy…

Ny mpino mahatoky

Alahady, 9 Aogositra 2026

Ny mpino mahatoky 1. Miala amin’ny fihatsarambelatsihy (and. 47-48) Ny Fariseo sy ny mpahay lalåna…

Tsarovy ry mpino

Asabotsy, 8 Aogositra 2026

Tsarovy ry mpino fa 1. Miditra sy manamasina ny fiainana andavanandro Andriamanitra. (and. 1,2) Fahagagana…