Ny tena mpiasan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Aogositra 2026

Sal. 134,1-3 / Hira 225,1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 288,1.2

1 Timoty 1,12 - 16
12 Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, 13 dia izaho, izay mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [* Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 14 Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tet? ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.

Tsy mora ny asa hosahanin’i Timoty ka notantarain’i Paoly azy ny fiainana nolalovany, ho fampirisihina sy fampaherezana azy.

Ny tena mpiasan’Andriamanitra

1. Nandray ny fampaherezan’i Jesoa Kristy

«Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika aho, Izay nampahery ahy. »

Ny hoe: »mampahery » dia manondro ny fampaherezan’ny Tompo an’i Paoly mba hanatanteraka ny fanompoana Azy amin’ny fampandrosoana ny fanjakany. Ilay hery sy fahendren’ Andriamanitra no nampahery an’ny Paoly ka nentiny mijoro ho vavolombelon’ny Tompo. Izay nandray ny hery avy any amin’Andriamanitra araka ny Soratra Masina dia nahavita ny iraka nampanaovina azy satria ny Fanahy Masina no niasa tao aminy.

2. Nataony ho mahatoky tokoa

«Fa nataony ho mahatoky aho. »

Ny « mahatoky » dia ilazana olona izay efa hita sy voadinika tamin’ny zavatra maro efa nataony teo aloha, ka hita teo amin’ny fahatsaram-piainany sy ny fahamarinany fa azo ametrahana andraikitra; azo itokiana amin’ny asa fanompoana, na dia izay sarotra sy lehibe indrindra aza. Asan’Andriamanitra araka izany ny mahatonga ny mino ho azon’ Andriamanitra itokiana amin’ny asa fanompoana Azy. Meteza àry, tsy hampaherezina ihany fa tena omena toetra mahatoky, mahefa be amin’ny asan’ny Tompo.

3. Nahazo fanendrena

« …Ka notendreny ho amin’ny fanompoana. »

Adidy sarotra no nomen’ny Tompo an’i Paoly, satria notendrena hanangana izay noravany tamin’ny fanenjehana nataony teo aloha izy. Izany no antony nilazany eto hoe: «notendreny » izany hoe misy zavatra tsy maintsy ataony dia ny hitory sy hampiely ny Filazantsaran’ny famonjena ka hitaona ny olona hiala amin’ny fanjakan’ny devoly ho amin’ny fanjakan’i Kristy.

Fanontaniana:

Mendrika hanana anjara fanompoana ve ianao? Nahoana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny amin’ny olona mahatoky

Alahady, 2 Aogositra 2026

Ny amin’ny olona mahatoky 1. Ilain’Andriamanitra (and. 45) Efa akaiky ny andron’ny Tompo ary aoka…

Ny fahasambaran’ny olona mahatoky

Asabotsy, 1 Aogositra 2026

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MPINO Ny fahasambaran’ny olona mahatoky. 1. Ny fahasambarana dia avy amin’ny…

I Paoly nitory ny Filazantsara tany ...

Zoma, 31 Jolay 2026

I Paoly nitory ny Filazantsara tany Roma: 1-Teo am-pifatorana Fanirian’i Paoly tokoa ny hitory ny…