I Paoly nitory ny Filazantsara tany Roma
Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Jolay 2026
Sal 117/Hira 16/ Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/ Hira 539
Asan'ny Apostoly 28,16 - 29
16 [Ny toetr'i Paoly tany Roma, sy izay nataony tany] Ary rehefa tonga tany Roma izahay*, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin'ny miaramila anankiray izay niambina azy. [* Ampio hoe: ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin'ny lehiben'ny mpiambina; fa] 17 Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain'i Paoly hiangona izay lohandohany tamin'ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan'ny Romana, na dia tsy diso tamin'ny firenentsika aza, na tamin'ny fanaon-drazana; 18 ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy. 19 Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory. 20 Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan'ny Isiraely no ifatorako amin'ity gadra ity. 21 Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao; 22 fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin'izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy. 23 Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy. 24 Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino. 25 Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain'ny Fanahy Masina an'Isaia mpaminany tamin'ny razanareo 26 manao hoe: Mandehana any amin'ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita; 27 Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10). 28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen'Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin'ny jentilisa, ary izy hihaino azy. 29 * [* Ampio hoe: [29 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra]I Paoly nitory ny Filazantsara tany Roma:
1-Teo am-pifatorana
Fanirian’i Paoly tokoa ny hitory ny Filazantsara tany Roma, ary efa nofinofiny ny hitsidika an’i Roma. Rehefa tonga tany izy dia nisy miaramila anakiray izay niambina azy. Na dia teo am-pifatorana aza izy dia vonona hihaona tamin’ireo mpitarika Jiosy. Tiany ho fafana izay vaovao tsy marina rehetra izay voarain’izy ireo, na tamin’iza na tamin’iza no nihaviany. Ary izany no antony nahatongavany tany Roma. Afaka nitory ny vaovao mahafaly sy nanaiky ho iraka hilaza ny marina i Paoly na teo am-pifatorana aza. Ny Tenin’Andriamanitra, na ny Vaovao Mahafaly ry havana, dia tsy voafatotry ny fahefan’olombelona, fa arakaraka ny angejana azy no vao maika hielezany haingana. Hita eo amin’ny tantaran’ny fivavahana kristiana izany, izay tantara marina tsarovana mandraka ankehitriny.
2-Nandresy lahatra, nilaza momba an’i Jesoa
« Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany » (and 23). Nandresy lahatra azy ireo i Paoly ka nilaza ny marina momba an’i Jesoa. Resy lahatra tamin’izay nolazainy ny sasantsasany, ary niova ho mpino, ny sasany kosa tsy nino ka nahatonga ny fifanazavana (and 24-25a). Ny iraka dia manatotosa ny andraikitra anirahina, ary atao amin’ny fahavononana sy faharetana izany, na dia mety hitondram-pahoriana aza, eny mety hiafara amin’ny fahafatesana aza, tahaka an’i Jesoa sy ireo Maritiora. Anjarantsika ny mandresy lahatra, mampianatra, fa anjaran’ny tsirairay kosa ny safidy tsy an-tery. Meteza ary ho iraka hahavita iraka isika mba ho voninahitry ny mpaniraka. Mahereza dia mahefà be amin’ny asan’ny Tompo.
Fanontaniana:
Inona avy ireo seho mateti-pitranga amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara?
Foibe Sampana Sekoly Alahady