Manaiky ho iraka ny mpino

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Jolay 2026

Sal 100 / Hira 307 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 205.1,2

2 Timoty 4,1 - 8
1 Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. 6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.

Manaiky ho iraka ny mpino satria:

1- Hampianatra ny teny marina

Andraikitra goavana miandry an’i Timoty co amin’ny iraka nanirahana azy ny mampianatra ny teny, mba hahafahany miady amin’ireo mpanohitra, dia ireo mpiandany amin’ny foto-pampianarana diso sy ireo mpampianantra sandoka. Tsy amin’ny fomba tokana anefa no hanchoana izany fa amin’ny fomba maro, toy ny fandresen-dahatra, fananarana mafy, fampirisihina. Izany hoe iraka maika ka tsy azo anaovana « andraso andraso ». Tsy maintsy atao na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana, mba handresentsika ny fampianarana hafahafa izay mieli-patrana ankehitriny. Mampianara ny teny marina; aza mihemotra sao hanenenana ny fotoana.

2- Hanohitra ireo fampianaran-diso

Mihamaro sy mihazava-doza hatrany ny firoboroboan’ny fampianaran-diso. Mambabo ny maro tokoa izy ireny, satria toa mifanaraka amin’ny hetahetam-pon’ireo mpanorina azy amin’ny lafiny ara-nofo, satria manome fahafaham-po ho an’ny filan’ny nofo. Mamitaka azy ireo ny anganoangano izay lavitry ny fahamarinana (ny teny marina). Tsy tamin’ny fotoan’andro ihany no nahitana ny toy izany fa mandraka ankehitriny. Manjaka ankehitriny ny fomba fanaon-drazana hanoherana ny Filazantsara. Mila mitandrina isika iraka, mamantatra tsara ny vary sy ny tsimparifary. Herezo àry, tohero ny fampianaran-diso, aoka ho vonona mandrakariva, banjino Jesoa Kristy ilay naniraka mba handresenão ny asan’ny satana.

Fanontaniana:

Mbola manaiky ny teny masina avy amin’ny filazantsara ve ny olona ankehitriny?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny niantsoana an’i Ezekiela

Alarobia, 29 Jolay 2026

Ny niantsoana an’i Ezekiela 1-Tamin’ny anarana miavaka « ry zanak’olona » « … Ry zanak’olona, mitsangana fa hiteny…

Jesoa Kristy irak’Andriamanitra

Talata, 28 Jolay 2026

Jesoa Kristy irak’Andriamanitra 1- Mampianatra sy mitory ny filazantsaran’ny fanjakana « Ary Jesoa nandeha nitety ny…

Ny iraka irahin’Andriamanitra

Alatsinainy, 27 Jolay 2026

Ny Iraka irahin’Andriamanitra dia: 1- Mampahafantatra ny anarany Miverina in’efatra eto amin’ity mofonaina ity ny…