Ny fampihavanana ao amin’i Kristy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Jolay 2026

Sal.66. 1-4/Hira 21/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/ Hira 427

2 Korintiana 5,16 - 21
16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. 17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao : Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. 20 Koa dia iraka* solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo.[*Gr. ambasadôra] 21 Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.

Ny fampihavanana ao amin’i Kristy

1- Asan’Andriamanitra

« Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, izany nampiahavana antsika taminy » (and.18). Fitiavan’andríamanitra no nanirahany ny Zanany ho ety amin’izao tontolo izao. Ka ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy dia asan’Andriamanitra madiodio. Ny mpino kosa no mamaly sy manohy mamaly ny Fanekena Vaovao amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana ary ny asa tsara. Ilay olombelona mpanota no nohavaozina indray ka nampiombonina amin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Kristy. Andriamanitra no nanova ny fahamarinan’i Kristy tamin’ny fahotan’ny olombelona mba hamonjeny antsika olombelona. Tonga namana, tonga ankohonan Andriamanitra Masina isika ankehitriny noho ny asan’Andriamanitra tao amin’i Kristy.

2-Napetrany tamin’ny irany

« Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka amianareo… » (and.20). Ny Fiangonana tao Korinto dia tia niangona saingy nanadino ny hasarobidin’ny famonjena nentin’i Jesoa Kristy ho azy ireo. Ka na dia efa isan’ny Fiangonana aza izy, dia ny fanaon’ny jentilisa ihany no nataony. Izany no nahatonga an’i Paoly nanamafy indray ny maha Apostoly azy tamin’izy ireo. Antsoina hihavana amin’Andriamanitra ny olona mbola variana amin’ny fanaon’izao tontolo izao. Andraikitra nankinin’ Andriamanitra amin’ny mpino ny hitaona ny hafa hihavana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy. Tsy voatery ho resy lahatra amin’izany ny olona fa lanteraho ny iraka nampanaovin’ny Tompo anao.

Fanontaniana:

Nahoana ny manda ny irak’ Andriamanitra ny olona sasany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny mpaminan’i Jehovah

Alarobia, 8 Jolay 2026

Ny mpaminan’i Jehovah 1-Manatanteraka ny baikony « Miainga, ka midina hihaona amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely… fa…

Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy

Talata, 7 Jolay 2026

Ny fanarahana an’i Jesoa Kristy 1- Fahafantarana Azy « Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo.…

Ny tena vahoakan’Andriamanitra tokoa

Alatsinainy, 6 Jolay 2026

Ny tena vahoakan’Andriamanitra tokoa 1-Mandà ny mpaminany sandoka « Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay maminany…