Ny olom-boahosotr’i Jehovah

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Jolay 2026

Sal. 117/Hira 171/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/ HF 1

1 Samoela 15,1 - 3
1 [Ny tsy nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany] Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao. 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta. 3 Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano* izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.[Heb. ataovy herema]

Ny olom-boahosotr’i Jehovah

1- Araka ny irak’Andriamanitra

« Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan’ny Isiraely olony…  » (and. 1)

Teny nataon’i Samoela tamin’i Saoly mpanjakan’i Isiraely izany. Baiko avy amin’i Jehovah no nahatonga an’i Samoela niroso tamin’ny fanosorana an’i Saoly ho mpanjaka. Tsy safidin’i Saoly na i Samoela akory izany fa safidy avy amin’ Andriamanitra. Araka izany, tsy ny olona akory no misafidy handray hosotra avy amin’i Jehovah fa Izy mihitsy no misafidy ny olona hosorana (na atokana) ho Azy sy ny mpanosotra. Tsy miankina amin’ny fanirian’ny olona no mahatonga azy ho voahosotra amin’ny andraikitra iray, fa miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Koa amin’ny andraikitra raisinao, tsarovy fa Jesoa Kristy no nametraka anao amin’izany.

2- Manantanteraka ny baikon’Andriamanitra

« …Koa ankehitriny mihainoa ny tenin’i Jehovah ianao. » (and. 1)

Baiko omena an’i Saoly mpanjaka eto fa mila mihaino, izay midika ho mankato na manatanteraka, ny baikon’i Jehovah izy. Olon’Andriamanitra no anatanterahan’i Saoly ny asany. Noho izany mila manaraka ny baikon’ Andriamanitra izy eo amin’ny fanaovana ny asany. Araka izany, ny olom-boahosotra rehetra hanao asam-bahoaka: hitondra firenena, hitondra Fiangonana dia tokony hankato ny baikon’ny Tompo. Ka ny fanapahan-kevitra rehetra raisina hitondrana ny vahoaka dia mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra fa tsy izay metimety amin’ny olom-boahosotra.

Fanontaniana:

Inona no heverinao ho antony mahatonga ny olona manam-pahefana tsy hankato an’Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny mpianatr’i Jesoa misedra fanenjeh...

Alakamisy, 2 Jolay 2026

Ny mpianatr’i Jesoa misedra fanenjehana 1-Jesoa Manafaka azy << Fa nisy anjelin’ny Tompo namoha ny…

Ny irak’Andriamanitra

Alarobia, 1 Jolay 2026

Ny irak’Andriamanitra 1- Mifona ho an’ny vahoaka « Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany…

Ny fahalehibiazan’i Kristy amin’izao...

Talata, 30 Jona 2026

Ny fahalehibiazan’i Kristy amin’izao tontolo izao. Paoly Apostoly mitondra fampianarana ho an’ny Kolosiana manoloana ireo…