Ny olona andrasan’ny Tompo hihaona Aminy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Jona 2026
Sal.96.1-6 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira.480
Salamo 95,1 - 11
1 [Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika. 2 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika. 3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy. 4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany. 6 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika; 7 Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: 8 Aza* manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza] 9 Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako. 10 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako; 11 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.Ny olona andrasan’ny Tompo hihaona Aminy
Eto ny Salamo dia mitaona hivavaka amin’Andriamanitra, tsy fombafomba fotsiny ihany fa tena hihaona amin’ny Tompo. Olona manao ahoana no andrasan’ny Tompo hihaona Aminy?
1. Olona resy lahatry ny fahalehibiazany
Voasoratra mazava eto (And.3) fa maro ireo andriamanitra, fa miavaka amin’ireo kosa Jehovah satria Mpanjakan’ny Mpanjaka Izy. Miantso antsika ny Tenin’ny Tompo hahatsiaro sy ho resy lahatra fa Andramanitra lehibe Izy. Mancho ny heriny amin’ny olony tokoa Andriamanitra, dia amin’izay rehetra matoky Azy. Oharina amin’ny vatolampy Izy, dia Ilay mafy, mahery, azo antoka, fialofana ary tsy miova.
2. Olona resy lahatry ny fifidianan’ny Tompo azy
Ny Tompo no nifidy ny Zanak’Israely ho vahoakany, fa matetika ireto farany no tsy resy lahatra ny amin’izany ka mandika ny didiny. Eto ny teny dia miantso antsika ho resy lahatra fa Izy no Tompo ary isika kosa dia olony (And.7). Tsy vitan’ny hoe nanafaka ny olony tao anatin’ny fangejana fotsiny ny Tompo fa nanangana ny olony indray ka tonga ao am-balany ary hisitraka ny fahatsarany manontolo.
3. Olona vonona hankato Azy
(And.8):Misongadina eto, fa ny fahadisoana nataon’ireo razana fahiny, izay voamariky ny tsy fankatoavana ny Tompo ka nahatonga ny fahatezerany. Ankehitriny dia miantso ny olony ny Tompo hankato ka tsy hamerina izany intsony. Koa amin’ny fo madio no iraketana ny Tenin’ny Tompo sy hiainana araka izay voalaza. Ny fankatoavana no anchoantsika ny fanajana Azy, ary anehoana koa ny tena fiovam-po marina. Ny zanak’Andriamanitra dia manao izay lazain’ny Tompo aminy.
Fanontaniana:
ve ianao sa efa Mbola tavela ao anaty fombafombam-pivavahana vonona hihaona amin’Andriamanitra marina tokoa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady