Ny mpianatr’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Mey 2026

Sal 103.1-5 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 303

Jaona 20,21 - 23
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy

1- Omeny fiadanana:

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia mbola natahotra ny mpianany ka mbola niafinafina izy ireo. Rehefa nikanton-trano izy ireo dia niseho teo ampovoan’izy ireo i Jesoa ka nanonona ny fiadanana ho azy ireo. Tian’i Jesoa hanam-piandanana izy ireo fa tsy hiaina ao anatin’ny horohoro sy tahotra mihitsy. Afaka manome fiadanam-po ho antsika ny Tompo mba hanala antsika amin’ny tahotra rehetra.

2- Irahiny:

Rehefa afaka ny tahotra dia irahiny amin’izay izy ireo, mba hanao ny asany amin’ny fahasahiana. Nomena andraikitra hitory ny Filazantsaran’ny famonjen’i Kristy, Ilay maty sy nitsangana tamin’ny maty ho famonjena ny olona rehetra. Aza matahotra irahin’i Kristy hitory ny famonjeny.

3-Omeny ny Fanahiny Masina

Mba hahafahana manao ny asa anirahany dia omeny ny Fanahy Masina ny mpianatra hitari-dalana azy ireo amin’izay tokony hatao. Ny Fanahy Masina no mpanolo-tsaina sy mpampahatsiahy izay nianarana sy noraisina tamin’i Kristy. Zava-dehibe amin’ny fanaovana ny iraky ny Tompo ny fananana ny Fanahy Masina, ka tokony angatahana izany.

4-Omeny fahefana:

Iray amin’ireo fahefana nomen’ny Tompo ny mpianatra ny fahafahana mamela heloka na tsia. Fahefana lehibe izany fahafahana mamela heloka izany satria isan’ny antony nanenjehana an’i Kristy koa, ary fototry ny fahsoavana sy ny fanasitranana. Omen’ny Tompo fahefana ianao koa mahaiza mampiasa izany ho amin’ny fahasoavana.

Fanontaniana:

Fantatrao sy efa niainanao ve ireo fahasoavana lehibe nomen’ny Tompo ny mpianany ireo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Saro-piaro amin’ny anarany Andriaman...

Alahady, 24 Mey 2026

Saro-piaro amin’ny anarany Andriamanitra 1- Mamindra fo amin’ny vahoakany Rehefa nihodina ny zanak’ Israely dia…

Ny tena kristiana marina tokoa

Asabotsy, 23 Mey 2026

Ny tena kristiana marina tokoa: 1-Miaina araka ny Fanahy Masina Ahariharin’i Paoly fa ny fahazoam-pamonjena…

Ny fahendrena avy amin’ Andriamanitr...

Zoma, 22 Mey 2026

Ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra 1-Mahafantatra ny marina Rehefa samy nilaza ho renin’ny zaza hany…