Saro-piaro amin’ny anarany Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Mey 2026
Sal 48. 1-3 / Hira 240 /Vavaka / Mofonaina /Vavaka / Hira 489
Ezekiela 36,22 - 30
22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.Saro-piaro amin’ny anarany Andriamanitra
1- Mamindra fo amin’ny vahoakany
Rehefa nihodina ny zanak’ Israely dia navelan’Andriamanitra ho babo. Lasa fitenenan-dratsy ny Anarany Masina anefa ny fanesoan’ny olona azy ireo hoe: « ireo ny olon’i Jehovah nefa niala tamin’ny tanin’i Jehovah izy ». Tapa-kevitra Izy fa hamindra fo amin’izy ireo, mba hanehoana amin’ny Jentilisa ny maha Andriamanitra Masina Azy. hahitan’ireo fa mahery ny Andriamanitry ny Israely, mba hampitsaharana ny fanamavoana ny Anarany Masina. Mamindra fo amintsika koa Andriamanitra. Tsy noho ny fahamendrehantsika anefa na ny fifonantsika fa mba tsy hanamavoana ny Anarany noho ny amintsika. Tokony hitandrina ny voninahitry ny Anarany hatrany isika.
2-Mampody ny vahoakany
Mba hitandrovana ny voninahitry ny Anarany Masina dia vonona Izy hampody ny vahokany ho any amin’ny taniny. Izany no fomba entin’Andriamanitra hanehoana ny maha Izy Azy sy ny fahamasinany. Tsy voatery ho noho ny fahamendrehan’ny olona no hamonjen’Andriamanitra azy, fa ny hanehoan’ Andriamanitra ny fahamasinany ihany koa.
3-Manadio ny vahoakany
Asehon’ Andriamanitra fa na dia mikapoka aza Izy dia mamindra fo sy miantra ihany koa, mba hanehona ny fahamasinany. Eto dia vonona Izy ny hanavao ny vahoakany satria fahefany izany; ary vahoakany ireo ka tsy foiny. Hodioviny mba ho tena ho Azy ary hesoriny amin’ny sampiny mba hanana fo vaovao. Homeny Fanahy vaovao ireo hiverina ho tena olony indray. Amin’izao andro Pentekosta izao dia manavao anao Andriamanitra ka manome ny Fanahy Masina.
Fanontaniana:
Tsapanao ve ny fahamasinan’ny Anaran’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady