Ny tena kristiana marina tokoa
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Mey 2026
Sal 103.1-6 / Hira 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 454
Galatiana 5,22 - 25
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.Ny tena kristiana marina tokoa:
1-Miaina araka ny Fanahy Masina
Ahariharin’i Paoly fa ny fahazoam-pamonjena sy ny maha kristiana dia tsy ny fitandremana ny lalána velively izay novoizin’ny fampianaran-diso tamin’izany fotoana izany. Ambarany fa ny famonjena dia avy amin’ny finoana sy ny fahasoavana. Ny olona mino an’i Krsity dia manaiky tarihin’ny Fanahiny ka tonga manana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra Izany no hahazoana famonjena. Ny tena kristiana iasan’ny Fanahy Masina dia tonga manam-pitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Izany hoe ny olom-boavonjy dia miaina ny toe-panahy mendrika, ary hita taratra eo amin’ny fomba fiainany manontolo izany, fa tsy olona manao fombafomba ivelany fotsiny.
2-Manohitra ny fahotana:
Ireo toe-panahy voalaza eo ambony ireo dia tsy milatsaka ho azy, fa misy ady tsy maintsy atrehina. Arakaraka ny hanoloran-tena ho an’i Kristy no maharomotra ny devoly ka toa mampantanjaka ny fakam-panahy. Eo ihany koa izay mety ho. fizahan-toetra avy amin’Andriamanitra. Ny tena Kristiana dia manombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana. Izany hoe mibanjina an’i Kristy Jesoa teo amin’ny hazofijaliana ka mamono ny faniriany sy ny filan’ny nofony ho faty eo amin’ny hazo fijalina ihany koa, mba tsy hahafahan’izany manjaka amin’ny tenany izay efa tonga olom-baovao tsy voagejan’ny ota. Raha tena an’i Kristy isika dia tokony hamono ny faniriantsiika sy ny filan’ny nofo koa.
Fanontanina:
Tena Kristiana ve ianao? Efa nanombo ny faniriana sy filanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady