Ny vahaolana mahomby eo amin’ny fiainam-piangonana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Mey 2026
Sal 29. 1-9 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 306
Nomery 11,24 - 27
24 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. 25 Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. 26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. 27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.Ny vahaolana mahomby eo amin’ny fiainam-piangonana
Nandalo fahakiviana i Mosesy noho ny fahasahiranana nahazo azy tamin’ny vesatry ny fitarihana ny zanak’Israely. Nitaraina tamin’Andriamanitra izy ka nomeny vahaolana.
1- Manaiky ny baikon’ Andriamanitra;
Hitan’Andriamanitra izany fahasahiranan’i Mossey izany, ka dia nampanantena Izy fa hanampy azy; ary dia nanome baiko mba hanangona loholona fitopolo lahy mba hosoran’Andriamanitra hiaraka aminy hitondra ny zanak’isiraely, mba tsy ho izy irery intsony no hitondra azy ireo satria maro ny vahoaka sy ny olana ara-piaraha-monina ka tsy ho vitan’olona samirery intsony. Nanaiky sy nankato izany i Mosesy. Mampahomby ny fiainam-piangonana ny tsy hivangongoan’ny andraikitra amin’olona tokana.
2- Manaiky fa afaka mampiasa ny Fanahiny amin’ny olona rehetra Andriamanitra:
Rehefa tanterak’i Mosesy ny fanangonana ireo fitopolo lahy dia nidina Andriamanitra ka naka avy amin’ny Fanahý Izay tao amin’i Mosesy, ary nametraka izany tamin’ireo loholona ary dia naminany izy ireo ho porofon’ny, asan’ny fanamasinana azy. Fa nisy roalahy izay tsy teo kanefa voasoratra ho isan’izy ireo, ary dia niara-naminany tamin’ireo niangona sy tamin’ny fotoana iray izy roalahy. Porofo izany fa nandray ny Fanahy maha loholona ihany koa izy ireo, na dia tsy teo aza. Mahasoa ny Fiangonana ny fanekena fa afaka miasa amin’ny olona rehetra sy amin’ny toerana rehetra ny Fanahin’Andriamanitra mba hahafahan’ny olom-boafidy hanao ny asany. Manome ny Fanahiny anao Andriamanitra satria nifidy anao hanao ny asany Izy.
Fanontanina:
Tsapanao ve ny asan’ny fanahin’Andriamanitra ao aminao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady