Ny fahazoana valim-bavaka
Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Mey 2026
Sal 18. 1-3 / Hira 241 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 305
Lioka 11,9 - 13
9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? 12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? 13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?Ny fahazoana valim-bavaka
1-Miankina amin’ny finoana ny Tenin’ny Tompo.
Rehefa avy nampianatra (vavaka nampianarin’ny Tompo) ny mpianatra hivavaka i Jesoa dia nampirisika azy ireo hivavaka hatrany, ary hazoto amin’izany. Fa izany ihany no hahazoana ny valim-bavaka. Lazaina mazava tsara fa izay mangataka dia mahazo araka ny volazany hoe: « Mangataha dia homena…. ary izay mandondo ano ho vohana. » (and 9-10). Izay tian’ny Tompo havoitra amin’izany dia ny hoe tsy tokony ho kivy rehefa mangataka fa hanana faharetana hatrany, ary hanao ny fomba rehetra azo anehoana ny fangatahana: mangataka, mitady, mandondona. Izany hoe tsy mangataka amin’ny vava fotsiny fa misy asa tsy maintsy atao hanchoana sy hanamafisana izany fangatahana izany. Raha mangataka ny hanina sahaza tokoa isika dia mila miasa mba hahafahan’i Jesoa Kristy mamaly vavaka antsika fa tsy hoe mangataka fotsiny dia miandry sakafo latsaka avy any an-danitra toy ny mana.
2- Fahalalan’Andriamanitra izay ilain’ny zanany
Sary an’ohatra no itondran’i Jesoa ny fampianarany no hita: eto ka nilazany hoe: « Iza moa aminareo izay ray no hangatahan’ny zanany mofo ka hanome azy vato? ». Tsy misy manao izany satria fantany tsara izay mahasoa ny zanany. Andriamanitra dia mpamantatra ny fo sy ny voa, mahafantatra tsara izay rehetra mahasoa antsika amin’ireny fangatahantsika marobe ireny Izy. Tsy ambakan’ny ray hanome izay hahasoa ny zananylzy; fa matoa tsy omeny dia tsy mahasoa izany. Izay rehetra omeny dia tokony ekentsika fa mahasoa, na dia mety tsy araka ilay nangatahana aza. Ary isan’izany ny Fanahy Masina.
Fanontaniana:
Mino ve ianao fa efa tena nagataka ary tsy diso fangataka?
Foibe Sampana Sekoly Alahady