Ny fampianaran’i Jesoa

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Mey 2026

Sal 119:171-176 / Hira 226 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 444.4

Jaona 6,60 - 65
60 Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? 61 Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay? 62 Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo. 63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. 64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. 65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.

Ny fampianaran’i Jesoa

1- Fanahy sy fiainana

Betsaka ny asa nataon’i Jesoa, izay nahatalanjona ny olona ka naharesy lahatra ireo hanaraka Azy sy ho tonga mpianany. Anisan’izany ny namahanany olona mihoatra ny dimy arivo. Teto dia nanao fampianarana lalindalina kokoa momba ny ara-panahy izy ka nilaza fa Izy no mofon’aina hananan’ny olona ny tena fiainana (Jao 6.48…). Tsy nahatakatra izay tiany hampitaina ny ankabeazan’ny mpihaino ka nimonomonona. Maro tamin’ny mpianany no nanao hoe: « Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? (and.60). Nanomboka tamin’io fotoana io dia tsy vitsy no nihemotra. Eto indrindra no mampiavaka ny mpanaraka Azy sy ny tena mpianany. Betsaka amin’ny olona mpanara-dia an’i Jesoa no tsy te handalina sy hino izay lazainy fa noho ny fitadiavana tombontsoa ara-nofo fotsiny. « Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona ». (and.63)

2- Raisina amin’ny finoana

Fantatr’i Jesoa fa na dia ny sasany tamin’ny mpianany aza dia tsy nakasitraka ny fampianarany (and.64). Tsy maintsy raisina amin’ny finoana sy amin’ny fanantenana ary amin’ny faharetana izay teny rehetra ambaran’i Jesoa. Raha amin’ny maha olombelona ara-nofo fotsiny dia tsy ampy. Mila ny fanampian’Andriamanitra antsika isika, raha te hahazo fiainana avy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Izany no ilazan’i Jesoa hoe: « …fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany… » (and.65). Ny Fanahy Masina izay nomen’ny Ray no mahatonga ny mpino hahay manatona Azy sy mandray ny fampianarany.

Fanontaniana:

Inona no zavatra antenainao amin’ny fanarahana an’i Jesoa?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masi...

Alatsinainy, 11 Mey 2026

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina 1- Manome hery sy fahasahiana Raha ny momba…

Ny amin’ny fiaretana fijaliana

Alahady, 10 Mey 2026

Ny amin’ny fiaretana fijaliana Mety hihatra amin’ny olona avokoa ireto zavatra roa izay asongadin’ny Soratra…

Ny olona iasan’ny Fanahy Masina

Asabotsy, 9 Mey 2026

Ny olona iasan’ny Fanahy Masina Voalaza fa feno ny Fanahy Masina i Stefana (Asa 6.5;…