Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Mey 2026

Sal 24. 3-5/ Hira 175.1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 179.4

Mpitsara 6,33 - 40
33 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela. 34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita. 35 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo. 36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, 37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao. 38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia. 39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina

1- Manome hery sy fahasahiana

Raha ny momba an’i Gideona manokana no lazaina, dia izy no zandriny indrindra amin’ny ankohonan’ny rainy, ary ny fianakaviany no ośa indrindra amin’ny fokon’i Manase (Mpits 6.15). Hany ka niahotra izy, teo anatrehan’ny fiantsoan’ Andriamanitra azy. Rehefa nirotsaka taminy anefa ny Fanahin’Andriamanitra dia nanana fahasahiana hanafaka ny Israely tamin’ny fampahorian’ny Midiana izy, ka namory ny vatan-dehilahy rehetra avy amin’ny foko efatra, dia ny fokon’i Manase, Asera, Zebolona, ary Naftaly. Ny Fanahy Masina no manome hery ahavitan’ny olom-boahosotra ny asa niantsoan’ny Tompo azy sy ahafahany mifanandrina amin’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no herin’ny mpino ahafahany manohitra ny ratsy rehetra sy hananany fahasahiana amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy (Asa 1.8)

2- Manome famantarana

Tian’i Gideona ho azo antoka tsara raha momba azy tokoa Andriamanitra amin’izao ady atrehiny izao, ka izany no nahatonga azy hitady famantarana avy amin’Andriamanitra. Nanaiky hanome izany ny Tompo. Tahaka izany koa no nataon’i Mosesy fony izy nantsoin’ Andriamanitra hanafaka ny zanak Israely tany Egypta. Raha nanao izany i Gideona dia tsy nohony tsy finoana akory, satria fantatsika tsara fa tsy mamaly ny vavak’izay tsy manam-pinoana Andriamanitra. Azontsika atao ny mangataka famantarana amin’ny anaran’i Jesoa imba hampiorina ny fampanantenana omen’ Andriamanitra antsika. Tsy maintsy atao amin’ny finoana sy ny fahatokiana Azy anefa izany.

Fanontaniana:

Inona no famantarana fa miasa ao amintsika ny Fanahy Masina?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny amin’ny fiaretana fijaliana

Alahady, 10 Mey 2026

Ny amin’ny fiaretana fijaliana Mety hihatra amin’ny olona avokoa ireto zavatra roa izay asongadin’ny Soratra…

Ny olona iasan’ny Fanahy Masina

Asabotsy, 9 Mey 2026

Ny olona iasan’ny Fanahy Masina Voalaza fa feno ny Fanahy Masina i Stefana (Asa 6.5;…

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny ...

Zoma, 8 Mey 2026

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino 1- Mitari-dalana Zavatra iray ihany no ambara amin’ny…