Jesoa Kristy, Ilay Mpanompon’i Jehovah.
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Mey 2026
Sal 138, 1-4 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hora 788, 2
Matio 12,18 - 21
18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy; 19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana; 20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; 21 Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).Jesoa Kristy, Ilay Mpanompon’i Jehovah.
1- Manazava ny hevitry ny lalana Izy
Hamarinin’ny Soratra Masina eto fa tanteraka ao amin’i Jesoa ny teny faminaniana nolazain’i Isaia mpaminany. Nasehon’i Jesoa ny fahefany hanasitrana, ary niaraka tamin’ny teny nolazainy ny fahasitranan’ ilay lehilahy maty tanan’ila. Izy no ilay nambaran’ny mpaminany hoe: « Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako. Izay sitraky ny foko indrindra, Hapetrako ao aminy ny Fanahiko (Isa 42.1). Andro Sabata io andro io. Nahitsiny ny fiheveran-dison’ ireo Fariseo momba sy hevitry ny Sabata. « Ary hitory ny rariny amin’ny jentilisa Izy… » Ny « rariny » lazaina eto (and 18,20) dia ny sitrapon’Andriamanitra, ny fivavahana marina natao ho fitsipika hampiharina eo amin’ny toe-piainana ho an’ny olona rehetra. Porofo izany fa Izy irery ihany no manam-pahefana feno hanazava ny lalåna araka ny hevitr’ Andriamanitra.
2- Mitondra fiadanana Izy
Tsy nahafaly ireo Fariseo izany, satria nanozongozona ny fahefany amin’ny maha mpitarika fivavahana azy. Tonga hatrany amin’ny fikasana hamono an’i Jesoa izy ireo. Vokatr’izany dia niala teo i Jesoa. lo fihetsiny tsy tia ady manoloana ny fanenjehana sy fankahalan’ny Fariseo io no ambaran’ny Filazantsara araka an’i Matio hoe: « Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy, Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana » (and. 19). Milaza ny toe-panahiny mora sy malemy izany. Aseho amin’ny and 20 koa ny fitiavana tsy misy fetra ananany ka itsinjovany manokana ireo rehetra izay manana fo torotoro sy malahelo am-panahy. Tsy mitsahatra amin’ny asany Izy, mandra-pahatonga ny faharesen’ny fanoherana rehetra, hanjakan’ny sitrapon’ Andriamanitra
Fanontaniana
Nahoana no amin’ny andro Alahady isika no miara-mivavaka?
Foibe Sampana Sekoly Alahady