Jesoa Kristy Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 21 Aprily 2026

Sal 124 / Hira l46 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF5

Jaona 11,41 - 46
41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. 42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. 43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! 44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. 45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy. 46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.

Jesoa Kristy Tompo

1-Mivavaka Izy aloha.

« Ray o, misaotra Anao aho fa efa nihaino Ahy ianao » (and41b): Efa ao amin’i Jesoa mihitsy ny fiainam-bavaka. Tsy mifidy fotoana, tsy mifidy toerana, na amin’ny mora, na amin’ny sarotra. Eto dia vavaka co anatrehan’ireo kivy, manana fahoriana, nilaozan’ny hava-tiana no nataon’i Jesoa. Tsy nijanona tamin’ny fampaherezana ihany anefa fa vavaka misy finoana miavaka. Efa misaotra sahady noho ny fihainoana sy ny fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra miavaka. Nanafatra antsika Jesoa mba « Hivavaka amin’ny finoana tokoa » (Mat 17, 20) fa tsy amim-pahazarana fotsiny.

2-Izy no fananganana ny maty sy fiainana

« Ary rehefa nanao izany teny izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha » (and43): Tsy misy tahaka an’i Jesoa. Ny rivotra sy ny ranomasina manaiky Azy, ny aretina sitraniny, ny noana omeny hanina, ny fasana tsy manan-kery eo anatrehany, ny fahafatesana resiny. Mendrika inoana sy ivavahana i Jesoa; Manome mihoatra lavitra noho izay eritreretin’ny olona. Antoka ho antsika izany fa sady miteny Izy no miasa ary marina avokoa ny fanambarany.

3-Mitondra fahafahana tanteraka Izy

« Hoy Jesoa taminy, Vahao izy, ka avelao handeha » (and44): Marina tokoa fa tsy misy zava-mahagaga izay tsy hain’ny Tompo hatao. Na izay heverina ho simba sy lo aza hainy velomina. Mpanafaka ny Tompo.

Fanontaniana

Mitondra inona eo aminao izao fandresen ‘i Jesoa izao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ho anao manana andraikitra manokana,

Alatsinainy, 20 Aprily 2026

Alatsinainy, faha 20 Aprily 2026 Sal 89/Hira539/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira FF3 1Korintiana 15, 24-28 Ho anao manana…

Ny mampiavaka ny olona matoky ny Tom...

Alahady, 19 Aprily 2026

Ny mampiavaka ny olona matoky ny Tompo 1-Mandresy fahavalo « Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao…

Ny mampiavaka ny mpandresy

Asabotsy, 18 Aprily 2026

Ny mampiavaka ny mpandresy 1-Mihaino ny toromarika avy amin’ny Tompo « Ary Davida nanontany tamin’i Jehovah… »…