Ny finoana no mahavonjy sa i Jesoa Kristy?

Mofonaina anio: Talata, faha 14 Aprily 2026

Sal 107, 1-3 / HF 13 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 444

Lioka 8,43 - 48
43 Ary nisy vehivavy anankiray narary* roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.[*Gr. narary nandeha rà] 44 Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny*.[*Gr. fandehanan'ny ràny] 45 Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao. 46 Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko. 47 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay. 48 Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao; mandehana soa aman-tsara.[*Gr. nahavonjy]

Ny finoana no mahavonjy sa i Jesoa Kristy?

Nisy ity vehivevy narary an-taonany maro ity, izay fototry ny tantara: Izy ity dia tonga amin’ny ataon’ny tonon-kira hoe nivezivezy nikaro-java-tsoa nefa tsy nahita izay nahasoa. Na dia efa nandany ny fananany rehetra mihitsy aza fa dia tsy nety ho sitrana. Nanapa-kevitra izy fa hanatona an’i Jesoa Kristy, ary hanendry Azy, izany hoe hikasika ny sisin-dambany. Zava-mahagaga no nitranga satria ambara eto hoe sitrana niaraka tamin’izay fikasihana an’i Jesoa Kristy izay izy.

Ankilan’izany koa anefa dia tsy noheverin’i Jesoa Kristy velively ny hanasitrana azy satria raha ny toe-javatra misy dia nisy hery fotsiny tsapan’i Jesoa Kristy niala taminy fa tsy nifankahita Taminy akory ilay vehivavy, tsy niresaka taminy velively ilay vehivevy na niangavy Azy hanampy sy hahasitrana azy. Tsy nisy avokoa izany rehetra izany kanefa dia nahasitrana ilay vehivevy Izy. Tena zavatra mahagaga!

Tsy asiantsika ady hevitra moa izany fa izany no maha Andriamanitra Azy, mahay sy mahavita ny zavatra rehetra. Ny tiana ambara amin’ny mpamaky fotsiny dia izao: Manatona Azy fa manana vahaolana ho an’ny olona rehetra Izy (cf Mat 28. 11). Izany no mahatonga ny fanontaniana hoe: i Jesoa Kristy sa ny finoan’ilay vehivevy no nahasitrana azy? Tsy maintsy i Jesoa Kristy no manasitrana, kanefa tsy misy izany raha tsy nino ilay vehivavy.

Fanontaniana:

Mbola mahavonjy ny olona ve ny finoana ankehitriny?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny kristiana

Alatsinainy, 13 Aprily 2026

Ny Kristiana. Avy amin’ny anaran’i Kristy ny anarana hoe: Kristiana; izany hoe mpanara-dia an’i Jesoa…

Izao tontolo izao

Alahady, 12 Aprily 2026

Izao tontolo izao Milaza inona ny hoe: « izao tontolo izao »? Misy hevitra maro samihafa ilazana…

Ho an’ny rehetra no nahatongavan’ny ...

Asabotsy, 11 Aprily 2026

Ho an’ny rehetra no nahatongavan’ny Tompo Izay rehetra miverina amin’ny Tompo dia hovonjena « Mijery ny…