Jesoa Kristy manome ny hevitry ny lalàna

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Martsa 2026

Sal.133 1-3 / HF 48 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 16

Matio 5,21 - 24
21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] 23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.

Jesoa Kristy manome ny hevitry ny Lalàna

1- Manova ny fisaianan’ny olona

« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: … «  (And. 22) Ny nahazatra ny Jiosy tamin’ny famakiana ny Lalàna hoe: « aza mamono olona » dia izay mamono mahafaty ihany. Tsy izany anefa ny fanazavan’i Jesoa ny « aza mamono olona ». Amin’i Jesoa, izay rehetra manao tsinotsinona sy tezitra amin’ny rahalahiny dia manota avokoa ka mendrika helohina. Manitsy ny fomba fandraisan’ny olona ny hevitry ny Lalána i Jesoa. Koa tsarovy hatrany fa raha manao tsinotsinona ny rahalahinao hianao, na tezitra aminy dia toy ny efa namono azy ianao. Koa ialao ny toetra manao tsinotsinona ny hafa, na ny mora tezitra amin’ny hafa fa mendrika andraisana sazy izany raha ny hevitr’i Jesoa.

2-Manoro ny tokony hatao

« …ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. » (And. 24) Manoro hevitra ny amin’ny tokony hatao i Jesoa rehefa nanota tamin’ny rahalahy. Rehefa hanao rakitra eny amin’ny Alitara ka mahatsiaro ho nanota tamin’ny rahalahy dia avela eo aloha ilay fanatitra, mandeha mihavana amin’ny rahalahy aloha vao manao fanatitra. Raha izany, amin’i Jesoa dia ny fihavanana amin’ny rahalahy aloha no ambony vao ny fanatitra. Olona tsara fihavanana amin’ny rahalahiny no manao fanatitra fa tsy olona miady amin’ny rahalahiny. Takiana amin’ny olona rehetra mpanao fanatitra eny amin’ny alitara ny fanomezana lanja ny fihavanana amin’ny rahalahy iray tam-po, ny samy kristiana, ny fiarahamonina. Mihavana tsara amin’ny rahalahinao fa mariky ny maha kristiana izany.

Fanontaniana:

Ahoana no fomba entina mangataka fihavanana amin’ny hafa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Ny olona marina

Talata, 10 Martsa 2026

Ny olona marina 1-Manahaka an’i Kristy « Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny…

Ny sabata

Alatsinainy, 9 Martsa 2026

Ny Sabata 1-Natao hitondra fiainana « Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny…

Andriamanitra manameloka ny mpanao r...

Alahady, 8 Martsa 2026

Andriamanitra manameloka ny mpanao ratsy 1-Manambara ny faharatsiany (and. 16-20) Fanamelohana nataon’Andriamanitra tamin’ny mpanao ratsy…