lay Andriamanitra Fitiavana.

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Aprily 2024

Eksodosy 10, 21-23

Eksodosy 10, 21-23
21 [Fahasivy: ny aizim-pito] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. 22 Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana, 23 koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.

lay Andriamanitra Fitiavana.

1-Miady ho an’ny mpanompony.

« Dia nisy aizim-pito eran’ny Egypta rehetra » (and 22). Manoloana ireo Egyptiana izay nampahory ny Zanak Israely, dia nanome baiko an’i Mosesy ny Tompo. Miharihary eto fa Jehovah no miady amin’izay mpampahory ny vahoakany. Izy no manome toromarika ary fantany ny vokatr’izany ka niraparapa ny fahavalo, tsy nifankahita, ary tsy afaka niala tamin’ny toerany hateloana. Manambara amintsika Jesoa Kristy fa momba antsika mandrakariva. Ny Tompo no miady ho antsika. Aza mandany andro mifamaly sy miady amin’ny fahavalo fa manana Mpamonjy sy Mpiaro isika. Tsarovy ihany koa anefa fa ny devoly no tena fahavalo, fa tsy nofo aman-drà.

2-Mampandresy ny mpanompony

« Fa ny Zanak’Israely kosa nisy mazava teo amin’ny fonenany » (and23). Niaina am-pilaminana, afaka nifankahita tsara, afaka nifamezivezy, niaina tamin’ny fahazavana; niaina amin ny fahafahana ary nataon’ny Tompo miavaka sy misongadina mihoatra noho ny Egyptiana ny vahoakany fa voasoratra hoe: »ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy » (Malakia 3,18). Eto dia miavaka tsara fa ny iray miaina ao amin’ny aizina, ary ny iray kosa miaina amin’ny mazava. Tsarovy ary fa mikatsaka hatrany izay hampandresy tanteraka anao ny Tompontsika ary mihoatra noho ny mpandresy aza isika amin’izany. Sahia mijoro vavolombelona noho ny fitantanany anao.

Fanontaniana

Tanisao ireo mampiavaka antsika mpino amin’ny hafa

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Miaina ao amin’ny mazava

Asabotsy, 20 Aprily 2024

1Jaona 1.5-7 Miaina ao amin’ny mazava 1-Andriamanitra dia mazava Ny hoe mazava dia anambarana ny…

Izay manana ny fahazavan’ny Tompo di...

Alakamisy, 18 Aprily 2024

2Korintiana 4.1-6 Izay manana ny fahazavan’ny Tompo dia: 1-Mandà ny asa miafina misy fitaka Ambaran’i…

Vavaka fangatahana fanafahana sy fia...

Talata, 16 Aprily 2024

Ho safononoka ny hafaliany satria eo Andriamanitra hanome fiarovana azy ireo ka ho afaka maneho…