Ankalazao ny Mpamonjy!

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Desambra 2023

Salamo 57. 7- 11

Salamo 57. 7- 11
7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.

Ankalazao ny Mpamonjy!

Nahoana no tsy maintsy mankalaza Azy isika?

1- Andriamanitra be famindrampo Izy.

Voalaza fa i Davida no nanoratra ity Salamo ity, fony izy niafina tanaty zohy noho ny fanenjehan’i Saoly azy. Tamin’izany fotoan-tsarotra izany no nitalahoany ny famindrampon’Andriamanitra mba hamonjy azy. Nino izy fa na dia AVO indrindra aza Andriamanitra dia hitsinjo sy hamonjy azy, ka lzy Andriamanitra mihitsy no haniraka avy any an-danitra ho famonjena azy. (Sal 57.2). Avy amin’ny finoana ny famonjena ataon’ Andriamanitra amin’ny olona izay ao anaty fahaverezan-kevitra sy tsy fahitana izay làlan-kandosirana no teraka ny fankalazana sy fanomezam- boninahitra. Be famindram-po sy be fitiavana Andriamanitra ka mendrika hankalazaina isanandro. Nasehony tamin’ny alalan’ny nanomezany ny Zanany mba hamonjy sy hanafaka izay rehetra mitady Azy ny fitiavany antsika.

2- Andriamanitra marina Izy.

Hitan’i Davida ny fahavoazan’ ireo fahavalo izay namela-pandrika sy nanao izay hampitolefika azy. Fantany fa Andriamanitra mihitsy no mirotsaka an-tsehatra, ka mamely azy ireo .Avo fipetraka Andriamanitra, fa iva fijery. Manosika azy hidera sy hankalaza Azy izany rehetra izany; ary mbola maniry hatrany izy ny hisandratan’ny voninahitr’Andriamnitra ho ambony kokoa. Toy izany no tokony ho fahatakarantsika kristiana ny fahamarinan’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny nanomezany ho antsika an’i Jesoa Kristy Zanany, Izay tonga nanam-pitoviana amintsika olombelona mpanota, nanaiky ho faty mba ho famonjena antsika. Andeha hataontsika ho zava-masina sy miavaka ny fankalazana Azy!

Fanontaniana:

Inona no antony hankalazantsika ny andron ‘ny Krismasy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ankalazao ny Mpamonjy!

Alahady, 17 Desambra 2023

2Samoela 22.47- 51 Ankalazao ny Mpamonjy! Ny fahatsapan’i Davida ny famonjen`Andriamanitra azy tamin’ny tànan’ny fahavalony…

Miavaka ny olona miara-dia amin’i Je...

Alatsinainy, 4 Desambra 2023

Miavaka ny olona miara-dia amin’i Jesoa Kristy Na dia nadinina sy nosakanana tsy hanao ny…

Maniraka ny Fiangonana Andriamanitra

Alatsinainy, 27 Novambra 2023

Raha najoron’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny fiangonany dia manana ny tanjony amin’izany Izy dia…