Ankalazao ny Mpamonjy!

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Desambra 2023

Daniela 4.25- 34

Daniela 4.25- 34
25 Izany rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.

Ankalazao ny Mpamonjy!

1- Mampietry ny mpiavonavona lzy (and.25 – 30)

Nambaran’i Daniela tamin’i Nebokadnezara mpanjaka ny hevitry ny nofiny, saingy tsy nampiraika azy izany raha tsy efa nihatra taminy ny fahavoazana. Indray andro, raha nijoro teo an- tampon’ny lapany izy ka nahatazana ny halehiben’ny fanjakany dia nirehareha fatratra sady nitolagaga tamin’ny zava-bitany .Nataony mantsy fa ny haben’ny heriny no nahavitana izany, ary nihevitra ny tenany ho be voninahitra indrindra izy. Tampotampoka teo anefa, nony tonga taminy ny fitsaran’ Andriamanitra, izay nilaza fa hesorina aminy ny fanjakany (and.27-28), araka izay efa nambara taminy, tamin’ny hevitry ny nofiny. Lasa adala izy ka tonga tahaka ny biby (and.30). Fianarana lehibe ho antsika izany, mba tsy hahatonga fireharehana sy mba hahaizana manome voninahitra an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy . Fa izay rehetra manandra-tena no haetry . (Lio 14.11)

2- Manandratra izay manetry tena Izy. (and.31 -34)

Rehefa tapitra ny fito taona nampietrena azy, dia namindra fo taminy Andriamanitra, araka ilay fetrandro efa nambaran’ny hevitry ny nofiny, ka dia nody ny sainy. Vokatra izany dia tonga nahay nidera sy nankalaza ary nanome voninahitra an’ Andriamanitra izy (and.31). Nanomboka teo dia nahay nanetry tena izy, fa tsy toy ny teo aloha intsony. Tsy tian’Andriamanitra ho faty sy ho any amin’ny fahaverezana ny olona. Ny famaizana ataony dia mikendry ny hamerina antsika ho amin’ny làla-marina, mba hahaizantsika mankalaza sy manome voninahitra Azy. Hoy indrindra ny Teniny: « Moa sitrako akory va ny fahafatesan ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin ny alehany mba ho velona izy ? (Eze 18.23).

Fanontaniana:

Inona no heverinao fa mahatonga ny olona hiavonavona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ankalazao ny Mpamonjy!

Alahady, 17 Desambra 2023

2Samoela 22.47- 51 Ankalazao ny Mpamonjy! Ny fahatsapan’i Davida ny famonjen`Andriamanitra azy tamin’ny tànan’ny fahavalony…

Miavaka ny olona miara-dia amin’i Je...

Alatsinainy, 4 Desambra 2023

Miavaka ny olona miara-dia amin’i Jesoa Kristy Na dia nadinina sy nosakanana tsy hanao ny…

Maniraka ny Fiangonana Andriamanitra

Alatsinainy, 27 Novambra 2023

Raha najoron’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny fiangonany dia manana ny tanjony amin’izany Izy dia…