Mijoroa amin’ny finoana marina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Oktobra 2023

DEOTERONOMIA 13.7-10

DEOTERONOMIA 13.7-10
7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), 8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra), 9 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao; 10 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.

1-Mijoroa amin’ny finoana marina (and 7,9)

« Raha mitaona alahinao , zanaky ny reninao na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy ,na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao …dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao » ,hoy ny voambara eto. Misongadina ao anatin’izany fa anjaran’ny mino no mihazona ny finoany sy ny faharesen-dahany ary ny fahavononany hifikitra amin’Andriamanitra , na dia ao anatin’ny ankohonana aza (tena olona akaiky) no mitady hitarika ho amin’ny fanompoan-tsampy . Amin’ny fotoana milamina mantsy ,tsy dia hita izany fa rehefa tonga ny zava-tsarotra ,toy ny aretina, ny olana ara-bola sns …, ka mila ho very hevitra dia mipoitra amin’izay io fitaomana hitady vaha-olana amin’ny andriamanin-kafa io,fa isika mino , na inon-kidona . Jesoa ihany no Tompontsika sy tompointsika.

2-Aza miray tendro amin’ny fanompoan-tsampy (and10)

« Ary torahy vato ho faty izy satria efa nitady hitaona anao hiala amin’i Jehovah Andriamanitrao » . Ny hevitra mafonja ao anatin’izany dia hoe: tsy miray petsapetsa amin’izay endrika fanompoan-tsampy isika , ary tsy vitan’ny hoe : mitsipaka sy mandà fotsiny fa tena manala izany hatramin’ny fakany eo amin’ny fiainantsika . Alavirina impito mandifotra olona ny sampy , ary tsy iombonana na minitra iray monja aza ny hevitra mitarika hanompo sampy, ka anarina mafy izay mitady hitarika anao na ny hafa. Tsy amin-kery setra akory ,fa amim-pahendrena feno ,fa hoy i Jesoa « hendre tahaka ny voromailala ary fetse tahaka ny menarana » (Mar 10.16)

Fanontaniana :

Inona no fepetra tokony ho raisina raha misy mitady hivily ho amin’ny fanompoan-tsampy ao amin’ny ankohonanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Telo tokony ialan’ny Kristiana

Alakamisy, 19 Oktobra 2023

Fanontaniana Manoloana ny fampianarana voaray anio, inona no atao? Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.

Inona no tokony hatao mba tsy hahadi...

Talata, 17 Oktobra 2023

Abaribarin’i Jesoa eto fa ny antony mahadiso hevitra ny olona ka mahatonga azy te-haka fanahy…

Ny fanambadiana

Zoma, 13 Oktobra 2023

1Korintiana 7,1-16 Ny fanambadiana 1-Fiombonana aina « Aoka ny lahy hanao izay mety amin’ny vavy,ary…